Mpitsara 3:29 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izay andro izay dia Môabita sahabo ho andiany folo no matiny, dia vatan-dehilahy tomady sy mahery fo avokoa; ka tsy nisy afa-nitsoaka ireny na iray aza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia namono ny Moabita tamin’izany andro izany izy, tokony ho lehilahy iray alina izay samy olona vaventy sady mahery avokoa; tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay andro izay dia Môabita sahabo ho andiany folo no matiny, dia vatan-dehilahy tomady sy mahery fo avokoa; ka tsy nisy afa-nitsoaka ireny na iray aza. Baiboly Katolika Nandresy an’i Moaba izy ireo tamin’izany andro izany, tokony ho lehilahy iray alina, samy tomady sy mahery avokoa, ka tsy afa-nandositra na dia iray aza. Baiboly Protestanta Malagasy Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin’izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza. Malagasy Bible Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin'izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza. La Bible en Malgache Dia namono ny Moabita tamin’izany andro izany izy, tokony ho lehilahy iray alina izay samy olona vaventy sady mahery avokoa; tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza. |
Tamin’izany andro izany, dia nomeko baiko ireo ka nataoko hoe: «Efa nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo ity faritany ity; ka ndeha mita eo alohan’ny Israelita hafa havanareo ianareo lehilahy mahery fo rehetra samy efa voaoman-kiady.
Koa nihinana ny taranak’i Jakôba, ka voky; nihanatavy i Jesoròna, ka namely daka. Eny, tonga natavy izy, vory nofo sy dongadonga ka nandao an’Andriamanitra Izay nanao azy ary nanamavo an’ilay Vatolampy famonjena azy.
sady nanainga azy hoe: –Manaraha ahy fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny Môabita fahavalontsika. Dia nanaraka an’i Ehoda ireo, ka nandeha nibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna, ary tsy nisy Môabita navelany hita na iray aza.
Tamin’izany andro izany dia nietry teo ambany fahefàn’ny Israelita ny Môabita; ka nandry fahalemana ny tany nandritra ny valopolo taona.