Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 21:3 - DIEM PROTESTANTA

sady nanao hoe: –Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, inona no anton’izao mahalevona ny foko iray amin’Israely izao ankehitriny?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

hoe: Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, nahoana no tonga tamin’ny Israely izao zavatra izao ankehitriny ka nahabangana foko iray ny Israely?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

sady nanao hoe: –Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, inona no anton’izao mahalevona ny foko iray amin’Israely izao ankehitriny?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

nanao hoe: «Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, ahoana re no nahatonga izao amin’i Israely; fa fongotra androany ity ny fokon’i Israely iray».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga tamin’ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin’ny Isiraely?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga tamin'ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin'ny Isiraely?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

hoe: Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, nahoana no tonga tamin’ny Israely izao zavatra izao ankehitriny ka nahabangana foko iray ny Israely?

Jereo ny toko



Mpitsara 21:3
9 Rohy Ifampitohizana  

Tononkalo fananarana nataon’i Asafa . Andriamanitra ô, nahoana izahay no dia narianao tanteraka? Nahoana izahay andian’ondry fiandrinao no irehetan’ny fahatezeranao?


nampisandrahaka ny rantsany hatrany an-dranomasina any andrefana izy, ary nampihanaka ny sakeliny hatrany amin’ny ony any atsinanana.


Rehefa simban’ny hadalàny ny lalan’ny olona, dia ny TOMPO indray no itezeran’ny fony.


TOMPO ô, nahoana re izahay no avelanao haniasia lavitra ny lalanao, sy hampikiry ny fonay tsy hanaja Anao? Miverena noho ny fitiavanao ny mpanomponao, dia izahay foko anjara fanananao.


TOMPO ô, mpandala ny rariny Ianao ka tsy tokony mifandahatra aminao aho. Nefa ny amin’ireto toe-javatra ireto dia te hiady hevitra aminao aho. Nahoana no ahitam-pahombiazana ny lalana ombàn’ny olon-dratsy? Ary nahoana no miadam-pinaritra ireo rehetra mpivadika aminao?


Dia hovalian’ny olona hoe: «Tonga izao satria nafoin’izany vahoaka izany ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO, dia ilay Andriamanitry ny razambeny. Nanao fanekempihavanana taminy tokoa manko ny TOMPO fony nampiala azy tany Ejipta;


Fa tamin’izao indray mandeha izao kosa dia nankany Betela ny vahoaka ary nijanona teo anatrehan’Andriamanitra mandra-paharivan’ny andro. Nitaraina mafy izy ireo ary nitomany fatratra


Ny ampitson’iny, dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana.