Koa raha vao nahita azy i Jiftà, dia nandriatra ny fitafiany sady niantso hoe: –Indrisy, anaka, fa nampidi-doza ahy ianao, ary ianao izao no fototry ny hakiviako! Efa nanao voady tamin’ny TOMPO manko aho, ka tsy mahazo mitsoaka ny teny nomeko.
Mpitsara 21:18 - DIEM PROTESTANTA Kanefa tsy azontsika atao ny mamela azy ireo hanambady ny zanatsika vavy, satria efa nianiana isika fa ho voaozona izay Israelita hanome ny zanany vavy ho vadin’ny lehilahy benjaminita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa isika dia tsy mahazo manome azy ny zanatsika vavy ho vadiny satria efa nianiana ny Zanak’Israely hoe: Ho voaozona izay manome vady ho an’ny Benjamina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa tsy azontsika atao ny mamela azy ireo hanambady ny zanatsika vavy, satria efa nianiana isika fa ho voaozona izay Israelita hanome ny zanany vavy ho vadin’ny lehilahy benjaminita. Baiboly Katolika Fa isika tsy mahazo manome amin’ny zanatsika ho vadin’izy ireo», satria efa nianiana ny zanak’i Israely nanao hoe: «Ho voaozona anie izay manome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjaminita.» Baiboly Protestanta Malagasy Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak’Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an’ny Benjamita. Malagasy Bible Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an'ny Benjamita. La Bible en Malgache Nefa isika dia tsy mahazo manome azy ny zanatsika vavy ho vadiny satria efa nianiana ny Zanak’Israely hoe: Ho voaozona izay manome vady ho an’ny Benjamina. |
Koa raha vao nahita azy i Jiftà, dia nandriatra ny fitafiany sady niantso hoe: –Indrisy, anaka, fa nampidi-doza ahy ianao, ary ianao izao no fototry ny hakiviako! Efa nanao voady tamin’ny TOMPO manko aho, ka tsy mahazo mitsoaka ny teny nomeko.
Fony nivory tao Mitsepà ny lehilahy israelita, dia nianiana fa tsy hisy hanome ny zanany vavy hanambady lehilahy Benjaminita.
Fa tokony hisy taranaka mpandova ireo Benjaminita sisa velona mba tsy ho fongotra ny foko iray amin’i Israely.
Ary raha misy rainy na anadahiny tonga hitaraina aminay, dia hovalianay hoe: «Miangavy anareo izahay mba tsy ho sarotiny amin’ireo lehilahy benjaminita, satria tsy nahazo vehivavy ho azy ireo tsirairay avy izy tamin’ny ady tao Jabesy. Ary satria tsy ianareo no nanome azy ny zanakareo vavy, dia tsy azo ampangaina ho meloka amin’ny fianianana ianareo».