Difotry ny fahoriana sy vesaram-panompoana no lasan-ko babo ny fokon’i Joda. Mitoetra any amin’ny hafa firenena izy izao kanefa tsy mahita hifaharana. Izay rehetra mpanenjika azy dia nahatratra azy an-katerena.
Mpitsara 20:42 - DIEM PROTESTANTA Vaky nandositra teo anoloan’ny vatan-dehilahy israelita izy ary nizotra nankany an-taniefitra; saingy narahin’ny andian-tafika lehibe sy ireo vatan-dehilahy israelita nivoaka avy tao an-tanàna izy ka naringany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nandositra teo anoloan’ny lehilahin’ny Israely ireo hankany amin’ny lalana ho any an-tany efitra, nefa nahatratra azy ihany ny ady, ary ireo izay nivoaka avy tao an-tanàna koa dia namono azy satria tonga teo afovoany ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vaky nandositra teo anoloan’ny vatan-dehilahy israelita izy ary nizotra nankany an-taniefitra; saingy narahin’ny andian-tafika lehibe sy ireo vatan-dehilahy israelita nivoaka avy tao an-tanàna izy ka naringany. Baiboly Katolika ka niamboho teo amin’ny lehilahin’i Israely izy ireo nihazo ny lalana mankany an’efitra; nefa noenjehin’ny mpiady mafy izy; ary ny tao an-tanàna novonoiny samy eo amin’ny fitoerana nisy azy avy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niamboho teo anoloan’ny lehilahy amin’ny Isiraely hankany amin’ny làlana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin’ny tanàna koa dia novonoiny teo. Malagasy Bible Dia niamboho teo anoloan'ny lehilahy amin'ny Isiraely hankany amin'ny lalana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin'ny tanàna koa dia novonoiny teo. La Bible en Malgache Nandositra teo anoloan’ny lehilahin’ny Israely ireo hankany amin’ny lalana ho any an-tany efitra, nefa nahatratra azy ihany ny ady, ary ireo izay nivoaka avy tao an-tanàna koa dia namono azy satria tonga teo afovoany ireo. |
Difotry ny fahoriana sy vesaram-panompoana no lasan-ko babo ny fokon’i Joda. Mitoetra any amin’ny hafa firenena izy izao kanefa tsy mahita hifaharana. Izay rehetra mpanenjika azy dia nahatratra azy an-katerena.
Hatramin’ny andron’ilay raharaha izay niseho tao Gibehà no efa nanota i Israely, ary tsy niova tamin’izany izy. Koa tsy rariny ve raha ao Gibehà ny ady no hahatratra ireo olon-dratsy ireo?
Nihoa-pampana ny faharatsianareo toy ny fahiny tany Gibehà. Nefa hotsaroan’ny Tompo ny helokareo, ary hoteteziny tsirairay ny fahotanareo.
Nody resy teo anatrehany kosa i Josoa sy ny Israelita rehetra ka nandositra tamin’ny lalana mankany an-taniefitra.
Novonoin’ny Israelita teny an-kodahoda avokoa ireo lehilahin’i Hay nanenjika azy. Ary rehefa matin’ny sabatra avokoa ireo, dia niverina tao Hay ny Israelita rehetra namely an-tsabatra ny mponina sisa tao.