Mpitsara 20:3 - DIEM PROTESTANTA Ary ren’ny Benjaminita fa tafakatra ao Mitsepà ny Israelita hafa. Dia hoy ireo Israelita ireo hoe: –Tantarao aminay izay antony nahatonga izao heloka bevava izao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ren’ny taranak’i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak’Israely. Dia hoy ny Zanak’Israely: Lazao izay nahatonga izao loza izao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ren’ny Benjaminita fa tafakatra ao Mitsepà ny Israelita hafa. Dia hoy ireo Israelita ireo hoe: –Tantarao aminay izay antony nahatonga izao heloka bevava izao. Baiboly Katolika Nandre ny taranak’i Benjamina fa hoe niakatra any Masfà ny zanak’i Israely. Ary hoy ny zanak’i Israely: «Mitenena, nanao ahoana no nanaovana izao heloka izao?» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ren’ny taranak’i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak’Isiraely. Dia hoy ny Zanak’Isiraely: Lazao izay nahatonga izao ratsy izao. Malagasy Bible Ary ren'ny taranak'i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak'Isiraely. Dia hoy ny Zanak'Isiraely: Lazao izay nahatonga izao ratsy izao. La Bible en Malgache Ary ren’ny taranak’i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak’Israely. Dia hoy ny Zanak’Israely: Lazao izay nahatonga izao loza izao. |
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao dieny samy mbola eny an-dalana ho any amin’ny fitsarana ianareo; fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ny mpitsara; ny mpitsara kosa hanolotra anao amin’ny miaramila, ka hatao am-ponja ianao.
dia dinihonareo sy anontanio ary fotory tsara. Raha nisy marina ka natao teo anivonareo izany zavatra mahatsiravina izany,
Koa nandefa iraka ho any amin’ny faritanin’i Benjamîna manontolo ny foko tsirairay avy hanao hoe: –Ahoana izao heloka mahatsiravina nitranga teto aminareo izao?
Ny lehibe rehetra sy ny lehilahy rehetra tao amin’ny fokon’i Israely dia tonga tao amin’io fivorian’ny vahoakan’Andriamanitra io avokoa, izany hoe vatan-dehilahy andiany efajato, samy miaramila an-tongotra sy kinga famely sabatra.
Dia namaly ilay levita, vadin-dravehivavy novonoina ho faty, ka nanao hoe: –Niditra tao Gibehà tanàna benjaminita ny tenako sy ny vadikeliko mba handry tao.