Izaho kosa handroso sakafo hohaninareo mba hampody hery anareo; avy eo vao hanohy ny dianareo ianareo, satria efa nandalo teto amiko tokoa. Dia namaly izy telo lahy hoe: –Tanteraho araka izay nambaranao àry.
Mpitsara 19:5 - DIEM PROTESTANTA Tamin’ny andro fahefatra dia nifoha maraina izy roa lahy; fa nony efa tena handeha tokoa ilay levita, dia nilazan’ny rain-drazazavavy hoe: –Mihinàna ody am-bavafo kely aloha ianareo vao mandeha. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny andro fahefatra dia nifoha vao maraina izy roa lahy, koa rehefa niomana handeha dia hoy ny rain-dRazazavavy tamin’ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, avy eo dia handeha ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny andro fahefatra dia nifoha maraina izy roa lahy; fa nony efa tena handeha tokoa ilay levita, dia nilazan’ny rain-drazazavavy hoe: –Mihinàna ody am-bavafo kely aloha ianareo vao mandeha. Baiboly Katolika Nony tamin’ny andro fahefatra dia nifoha maraina koa izy ireo, ary efa nivonon-kandeha ity Levita. Nefa hoy ny rain-drazazavavy tamin’ity vinantony: «Hatanjaho ny fonao ka homàna sombi-mofo aloha, vao mandeha ianareo». Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony tamin’ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin’ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely hianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha hianareo. Malagasy Bible Ary nony tamin'ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin'ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo. La Bible en Malgache Tamin’ny andro fahefatra dia nifoha vao maraina izy roa lahy, koa rehefa niomana handeha dia hoy ny rain-dRazazavavy tamin’ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, avy eo dia handeha ianareo. |
Izaho kosa handroso sakafo hohaninareo mba hampody hery anareo; avy eo vao hanohy ny dianareo ianareo, satria efa nandalo teto amiko tokoa. Dia namaly izy telo lahy hoe: –Tanteraho araka izay nambaranao àry.
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ilay olon’Andriamanitra: –Andao hiaraka amiko ho any an-tranoko ianao mba hihinan-javatra kely sady hotolorako fanomezana.
dia divay hampifaly ny fon’ny olona, sy menaka hahamiramirana ny endriny ary mofo hanome tohan’aina azy.
Izao kosa no navalin’i Jesoa azy ireo: –Ny sakafoko dia ny manao ny sitrapon’Ilay naniraka Ahy sy ny manatanteraka ny asa nampanaoviny Ahy.
ary dia nihinan-kanina ka nihatanjaka. Niara-nitoetra mandritra ny andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra tany Damasy i Saoly.
Ary notanan-drafozany rain-drazazavavy ity vinantolahiny, ka nijanona tao aminy nandritra ny telo andro; dia nihinana sy nisotro ary natory tao ilay levita sy ny zatovony.
Tamin’ny andro fahadimy dia nifoha maraina izy mba handeha. Fa hoy ny rafozany taminy: –Mihinàna ody am-bavafo aloha, ary ahemory ho amin’ny tolakandro ny dianareo. Dia niara-nihinana izy roa lahy.
Dia nomena didina mofomamin’aviavimbazaha sy sampahom-boaloboka maina roa. Rehefa avy nihinana ireo izy, dia nihanahazo hery, satria efa tsy nihinan-kanina nandritra ny telo andro sy telo alina.