Koa nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: «Dia mbola hisy fahafinaretana ho ahy ve amin’izao fahanterako izao sady efa antitra koa ny vadiko?»
Mpitsara 19:26 - DIEM PROTESTANTA Ary nony efa nadiva ho maraina, dia tonga nitrosina teo am-baravaran’ny tranon’ilay lahiantitra izay nitoeran’ny lahy izy, ary niampatra teo ambara-pahamarain’ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa ho maraina ny andro dia tonga Ravehivavy ka lavo teo am-baravaran’ny tranon-dRalehilahy, izay nitoeran’ny vadiny, ka tavela teo mandra-pahazava ny andro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nony efa nadiva ho maraina, dia tonga nitrosina teo am-baravaran’ny tranon’ilay lahiantitra izay nitoeran’ny lahy izy, ary niampatra teo ambara-pahamarain’ny andro. Baiboly Katolika Nony efa haraina ny andro dia tonga ravehivavy ka lavo teo am-baravaran’ny tranon’ilay lehilahy nisy ny vadiny, ka teo izy mandra-pahazavan’ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran’ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran’ ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan’ny andro. Malagasy Bible Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran'ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran'ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan'ny andro. La Bible en Malgache Rehefa ho maraina ny andro dia tonga Ravehivavy ka lavo teo am-baravaran’ny tranon-dRalehilahy, izay nitoeran’ny vadiny, ka tavela teo mandra-pahazava ny andro. |
Koa nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: «Dia mbola hisy fahafinaretana ho ahy ve amin’izao fahanterako izao sady efa antitra koa ny vadiko?»
tahaka an’i Sarà izay nanaiky an’i Abrahama sy niantso azy hoe «tompoko». Zanak’i Sarà ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.
Tsy nety nihaino anefa ireo faikan’olona ireo, koa navoakan’ilay levita hankao ivelany ny vadikeliny. Ary ireo dia nanolana an-dravehivavy ka nanaram-po taminy nandritra ny alina manontolo, ary tsy namela azy raha tsy efa nangiran-dratsy ny andro.
Ary nony maraina, dia nitsangana ny lahy ka namoha ny varavarana ary nivoaka ny trano mba hanohy ny diany; kanjo indro ny vavy efa miampatra eo am-baravarana ary mamikitra eo amin’ny tokonana.
Koa niainga ralehilahy mba hanaraka ny vadikeliny sy hanambitamby azy hiverina hody. Nentiny niaraka taminy ny zatovony iray sy ny boriky roa. Dia nampandrosoin-dravehivavy tao an-tranon-drainy izy; ary ilay rafozan-dahiny koa, raha vao nahita azy, dia nandray azy tamin-kafaliana.