Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 19:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Tsy nety nihaino anefa ireo faikan’olona ireo, koa navoakan’ilay levita hankao ivelany ny vadikeliny. Ary ireo dia nanolana an-dravehivavy ka nanaram-po taminy nandritra ny alina manontolo, ary tsy namela azy raha tsy efa nangiran-dratsy ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Tsy nety nihaino azy anefa ireo lehilahy ireo ka nalain-dRalehilahy ilay vady tsindranony ka navoakany ho eo amin’ireo teo alatrano. Dia nandry taminy sy nanao ditra taminy ireo mandritra ny alina mandra-paharain’ny andro. Rehefa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Tsy nety nihaino anefa ireo faikan’olona ireo, koa navoakan’ilay levita hankao ivelany ny vadikeliny. Ary ireo dia nanolana an-dravehivavy ka nanaram-po taminy nandritra ny alina manontolo, ary tsy namela azy raha tsy efa nangiran-dratsy ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Tsy nety nihaino azy akory anefa ireo lehilahy ireo. Tamin’izay dia nalain-dralehilahy ny vady tsindranony, nentiny nivoaka tany amin’izy ireo. Nahalala azy izy ireo sy nanao an-keriny taminy mandritra ny alina, mandra-paharainan’ny andro; ary nony efa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain’ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain'ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Tsy nety nihaino azy anefa ireo lehilahy ireo ka nalain-dRalehilahy ilay vady tsindranony ka navoakany ho eo amin’ireo teo alatrano. Dia nandry taminy sy nanao ditra taminy ireo mandritra ny alina mandra-paharain’ny andro. Rehefa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 19:25
9 Rohy Ifampitohizana  

Niraisan’i Adama i Eva vadiny, ka nitoe-jaza. Dia niteraka an’i Kaina izy, ary nanao hoe: «Nahazo zazalahy noho ny amin’ny TOMPO aho.»


Hatramin’ny andron’ilay raharaha izay niseho tao Gibehà no efa nanota i Israely, ary tsy niova tamin’izany izy. Koa tsy rariny ve raha ao Gibehà ny ady no hahatratra ireo olon-dratsy ireo?


Nihoa-pampana ny faharatsianareo toy ny fahiny tany Gibehà. Nefa hotsaroan’ny Tompo ny helokareo, ary hoteteziny tsirairay ny fahotanareo.


efa lany henatra mihitsy, ka mivarilavo amin’ny fihetsika tsy maotina sady revo manaram-po amin’ny fahalotoana isan-karazany.


Indro ny zanako vavy virijiny hoentiko eto aminareo, ka azonareo alaina sy anaovanareo izay sitrakareo; fa aza iny lehilahy iny no hanaovanareo izany zavatra mamoafady izany.


Ary nony efa nadiva ho maraina, dia tonga nitrosina teo am-baravaran’ny tranon’ilay lahiantitra izay nitoeran’ny lahy izy, ary niampatra teo ambara-pahamarain’ny andro.


Dia nisy nirongatra hamely ahy ny mponina tao Gibehà ka nanodidina ny trano nitoerako nony alina. Nikasa hamono ahy izy, ary nanolana ny vadikeliko ambara-pahafaty azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra