Toa bibilava mamitsaka eny an-dalana izy, ary tahaka ny menarana eo amoron-dalana; kaikerin’ny menarana ny traingon-tsoavaly ka mianjera mitsilany ny mpitaingina azy.
Mpitsara 18:22 - DIEM PROTESTANTA Efa lasa lavitra ny tranon’i Mikà ireo, vao nifamory i Mikà sy ny vatan-dehilahy mpiara-monina taminy ka nanenjika azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa lasa lavitra ny tranon’i Mika izy ireo dia nifamory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin’i Mika ka nanenjika ny taranak’i Dana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa lasa lavitra ny tranon’i Mikà ireo, vao nifamory i Mikà sy ny vatan-dehilahy mpiara-monina taminy ka nanenjika azy. Baiboly Katolika Efa lasa lavitra ny tranon’i Mikasy izy ireo, vao indreto ny olona mitoetra ao amin’ny trano mifanolo-bodirindrina amin’i Mikasy nivory nanenjika ireto taranak’i Dana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa lasa lavitra ny tranon’i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodi-rindrina tamin’i Mika ka nahatratra ny taranak’i Dana. Malagasy Bible Ary rehefa lasa lavitra ny tranon'i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin'i Mika ka nahatratra ny taranak'i Dana. La Bible en Malgache Rehefa lasa lavitra ny tranon’i Mika izy ireo dia nifamory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin’i Mika ka nanenjika ny taranak’i Dana. |
Toa bibilava mamitsaka eny an-dalana izy, ary tahaka ny menarana eo amoron-dalana; kaikerin’ny menarana ny traingon-tsoavaly ka mianjera mitsilany ny mpitaingina azy.
Dia niainga ireo ka nanohy ny diany. Ny zaza amam-behivavy sy ny biby fiompy ary ny entana no nalefany teo aloha.
Ary nony nihorakoraka nanjohy ny Danita izy, dia nisampotina kosa ireto ka nanontany an’i Mikà hoe: –Inona no nahatonga anao namory olona maro toy izao?