Koa nalevina teo amin’ny faritry ny zarataniny izy, dia tao Timnata-Sera, any amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, eo avaratry ny tendrombohitra Gahasa.
Mpitsara 18:13 - DIEM PROTESTANTA Avy tao ireo no niampita ho any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, ka tonga teo akaikin’ny tranon’i Mikà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niala tao izy ka nandroso nankany amin’ny tany be havoana any Efraima, dia tonga tao amin’ny tranon’i Mika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy tao ireo no niampita ho any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, ka tonga teo akaikin’ny tranon’i Mikà. Baiboly Katolika Avy teo izy dia nandroso nankany amin’ny tendrombohitr’i Efraima ka tonga tao an-tranon’i Mikasy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niala tao izy ka nandroso nankany amin’ny tany havoan’i Efraima, dia tonga tao an-tranon’i Mika. Malagasy Bible Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia tonga tao an-tranon'i Mika. La Bible en Malgache Dia niala tao izy ka nandroso nankany amin’ny tany be havoana any Efraima, dia tonga tao amin’ny tranon’i Mika. |
Koa nalevina teo amin’ny faritry ny zarataniny izy, dia tao Timnata-Sera, any amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, eo avaratry ny tendrombohitra Gahasa.
Maty koa i Elehazara zanakalahin’i Aharôna ka nalevina tao amin’ny havoana izay nomena an’i Pinehasa zanany lahy, tany amin’ny tendrombohitr’i Efraîma.
Niakatra ireo ka nitoby tao andrefan’i Kiriata-Jeharima, tao amin’ny tanin’i Joda. Izany no niantsoana io toerana io hoe Manahe-Dana na Tobin’i Dana, mandraka androany.
Dia hoy izy dimy lahy izay nisafo ny faritanin’i Laîsy tamin’ny namany: –Fantatrareo ve fa ny iray amin’ireo trano ireo dia misy efôda sy terafima ary sampy vita sarivongana metaly narendrika? Ankehitriny hevero izay tokony hataonareo.
Tamin’izany andro mbola tsy nisian’ny mpanjaka tany Israely izany, dia nisy levita iray nivahiny tany amin’ny toerana mihataka, an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Naka vadikely iray tao Betlehema any Joda izy.