Mpitsara 16:3 - DIEM PROTESTANTA Dia natory tsara i Samsôna ambara-pisasaky ny alina. Fa nony nisasaka ny alina, dia nifoha izy; ka nobetainy ny lela-varavarana kopa-droan’ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolàna roa ary nongotany niaraka tamin’ny hidiny, dia nataony an-tsoroka ary nentiny ka napetrany teo an-tampon’ny tendrombohitra manoloana ny tanàna Hebrôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nandry mandra-paha-mamatonalina i Samsona. Dia nifoha izy nony namatonalina ka noraisiny ireo lelam-baravarana teo amin’ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolàna roa, dia nongotany mbamin’ny hidiny ka nataony teny an-tsorony dia noentiny ho any an-tampon’ny tendrombohitra izay tandrifin’i Hebrona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia natory tsara i Samsôna ambara-pisasaky ny alina. Fa nony nisasaka ny alina, dia nifoha izy; ka nobetainy ny lela-varavarana kopa-droan’ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolàna roa ary nongotany niaraka tamin’ny hidiny, dia nataony an-tsoroka ary nentiny ka napetrany teo an-tampon’ny tendrombohitra manoloana ny tanàna Hebrôna. Baiboly Katolika Nandry i Samsôna mandra-pisasaky ny alina. Nony nisasaka ny alina dia nifoha izy, ka nalainy ny lela varavaran’ny tanàna mbamin’ny tolanany roa, nongotany mbamin’ny hidiny, dia nantsorohiny, nentiny nankany an-tampon’ny tendrombohitra mitodika an’i Hebrôna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nandry Samsona mandra-pamatonalina, dia nifoha izy nony namatonalina, ka noraisiny ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolana roa, dia nongotany izy mbamin’ny hidiny ka nataony teny an-tsorony, dia nentiny ho any an-tampon’ny tendrombohitra izay tandrifin’i Hebrona. Malagasy Bible Ary nandry Samsona mandra-pamatonalina, dia nifoha izy nony namatonalina, ka noraisiny ny vavahadin'ny tanàna mbamin'ny tolana roa, dia nongotany izy mbamin'ny hidiny ka nataony teny antsorony, dia nentiny ho any an-tampon'ny tendrombohitra izay tandrifin'i Hebrona. La Bible en Malgache Ary nandry mandra-paha-mamatonalina i Samsona. Dia nifoha izy nony namatonalina ka noraisiny ireo lelam-baravarana teo amin’ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolàna roa, dia nongotany mbamin’ny hidiny ka nataony teny an-tsorony dia noentiny ho any an-tampon’ny tendrombohitra izay tandrifin’i Hebrona. |
Miakatra eo alohanareo ny mpamaky lalana; dia hamaky ny vavahady ianareo ary hivoaka ny tanàna. Izy TOMPO, mpanjakanareo, no mandeha mitarika eo alohanareo.
nefa natsangan’Andriamanitra ho velona sy nafahany tamin’ny fatoran’ny fahafatesana, fa sanatria raha hahatana Azy ny fahafatesana!
Fantatry ny mponina fa tonga tao i Samsôna; dia nanao fiambenana tokoa ny Gazita sady nitily azy teo am-bavahadin’ny tanàna nandritra ny alina manontolo. Saingy tsy niraika izy ireo tamin’io alina manontolo io fa nanao anakampo hoe: «Aoka handrasantsika hazava ny maraina, vao hovonointsika izy!»
Taorian’izany i Samsôna dia raiki-pitia tamin’ny vehivavy atao hoe Delilà izay nonina tao amin’ny lohasaha Sôrèka.