Avy eo dia napetrany tao an-tempolin’ilay andriamaniny anankiray ny fitaovam-piadian’i Saoly; ary ny karandohany nohomboany tao amin’ny tempolin’i Dagôna.
Mpitsara 16:23 - DIEM PROTESTANTA Indray andro dia nivory ireo mpanjaka filistinina mba hankalaza ny fandreseny sy hanao sorona lehibe ho an’i Dagôna andriamaniny. Fa hoy izy hoe: –Efa natolotry ny andriamanitsika ho eo an-tanantsika i Samsôna fahavalontsika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nivory ireo lehiben’ny Filistina hamono zavatra hatao fanatitra lehibe ho an’i Dagona, andriamaniny sy hifaly. Hoy ireo: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika i Samsona fahavalontsika! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indray andro dia nivory ireo mpanjaka filistinina mba hankalaza ny fandreseny sy hanao sorona lehibe ho an’i Dagôna andriamaniny. Fa hoy izy hoe: –Efa natolotry ny andriamanitsika ho eo an-tanantsika i Samsôna fahavalontsika. Baiboly Katolika Nivory ireo filohan’ny Filistinina hanolotra sorona lehibe amin’i Dagôna andriamaniny sy hirobiroby, fa hoy izy: «Efa natolotry ny andriamanitsika eo an-tanantsika i Samsôna fahavalontsika.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary nivory ireo andrianan’ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an’i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tànantsika Samsona fahavalontsika. Malagasy Bible Ary nivory ireo andrianan'ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an'i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona fahavalontsika. La Bible en Malgache Ary nivory ireo lehiben’ny Filistina hamono zavatra hatao fanatitra lehibe ho an’i Dagona, andriamaniny sy hifaly. Hoy ireo: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika i Samsona fahavalontsika! |
Avy eo dia napetrany tao an-tempolin’ilay andriamaniny anankiray ny fitaovam-piadian’i Saoly; ary ny karandohany nohomboany tao amin’ny tempolin’i Dagôna.
Moa ve nisy firenena efa nanova ny andriamaniny, nefa tsy andriamanitra akory ireny! Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin’ireo andriamanitra tsy mahasoa akory.
Ny firenen-kafa rehetra samy mankato ny andriamaniny avy; fa isika kosa mankatò ny TOMPO Andriamanitsika, mandrakizay doria.
Tsia, fa ny zavatra atao sorona amin’ny sampy dia aterina ho an’ny demony fa tsy ho an’Andriamanitra; ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony ianareo.
Notapahiny ny lohan’i Saoly sady nalainy ny fiadiany ka nalefany hitety ny tanin’ny Filistinina hanambaràna izany vaovao izany ao amin’ny Tempolin-tsampiny sy amin’ny vahoaka.