Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 15:3 - DIEM PROTESTANTA

Dia hoy i Samsôna taminy: –Amin’izao indray mandeha izao dia afa-tsiny aho raha hanao ratsy amin’ny Filistinina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy i Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy i Samsôna taminy: –Amin’izao indray mandeha izao dia afa-tsiny aho raha hanao ratsy amin’ny Filistinina.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ka hoy i Samsôna taminy: «Izao vao tsy hanan-tsiny amin’ny Filistinina aho raha manisy ratsy azy».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy i Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.

Jereo ny toko



Mpitsara 15:3
5 Rohy Ifampitohizana  

Koa hoy i Absalôma tamin’ny mpanompony: –Hitanareo ilay sahan’i Jôaba mifanakaiky amin’ny ahy, ary misy ôrza! Mandehana doroy. Dia nodoran’ny mpanompon’i Absalôma ny saha.


Tamin’ny andro fahefatra kosa dia hoy ireo tamin’ny vadin’i Samsôna: –Langolangoy ny vadinao mba hilaza aminay ny valin’ny ankamantatra; fa raha tsy izany, dia hodoranay ianao sy ny ankohonan-drainao. Fa moa ny handraofanareo ny fanananay ve no nanasanareo anay?


Tsy fantatry ny ray aman-dreniny fa ny TOMPO mihitsy no namelona izany faniriana izany tao amin’i Samsôna mba hahazoany miady amin’ny Filistinina, satria tamin’izany fotoana izany dia ny Filistinina no nanjaka tamin’ny Israelita.


nataony hoe: –Noheveriko ho tsy tianao intsony izy, ka dia nomeko an’ilay tovolahy namanao. Moa tsy tsara noho izy ve ny zandriny? Azonao alaina ho solony izy.


Ary lasa i Samsôna nisambotra amboahaolo telonjato. Naka zavatra hatao tsolo koa izy, dia nafatony tsiroaroa ny rambon’ny amboahaolo, ary nafatony teo anelanelan’ny rambony ny tsolo iray.