Mpitsara 14:10 - DIEM PROTESTANTA Ary nidina nankany amin’ilay tovovavy i Samsôna, ka nanao fanasana fampakaram-bady tao toy ny fanaon’ny tovolahy rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nidina ho any amin-dRavehivavy ny rain’i Samsona; ary nanao fanasana tany i Samsona, fa izany no fanaon’ny zatovo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nidina nankany amin’ilay tovovavy i Samsôna, ka nanao fanasana fampakaram-bady tao toy ny fanaon’ny tovolahy rehetra. Baiboly Katolika Nidina nankany amin’ilay vehivavy ny rain’i Samsôna, ary nanao fanasana teo i Samsôna, fa izany no fanaon’ny zatovo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain’i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon’ny zatovo. Malagasy Bible Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain'i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon'ny zatovo. La Bible en Malgache Dia nidina ho any amin-dRavehivavy ny rain’i Samsona; ary nanao fanasana tany i Samsona, fa izany no fanaon’ny zatovo. |
Manao sakafo ireo lehibe mba hikoranany; ny divay kosa maharavoravo ny ainy; ary ny vola no hahazoany manao izany rehetra izany.
Ary nanandrana ny rano nanjary divay ity mpandahatra ny fanasana, nefa tsy fantany izay niaviany (fa ireo mpanompo nanovo ny rano no nahafantatra). Dia niantso ny mpampakatra kosa ity mpandahatra ny fanasana
Tamin’izay dia nisy anjely nanao tamiko hoe: –Soraty! Sambatra izay voaantso amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanakondry! Ary hoy koa ny anjely tamiko: –Teny marim-pototra avy amin’Andriamanitra ireo!
Rehefa nahita azy ny Filistinina, dia nifantina tovolahy telopolo mba hiara-mikorana aminy.
Dia nalainy tamin’ny tanany ny tantely ka nihinanany teny am-pandehanana. Ary nankany amin’ireo ray aman-dreniny izy, dia nanome tantely azy ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambaran-janany taminy fa tao anatin’ny vondron-taolana fatin-diona no nangalany azy.