Nefa namaly izy hoe: –Tsy misotro divay izahay, satria i Jônadaba, zanakalahin’i Rekaba sady razanay, dia efa nandidy anay hoe: «Aza misotro divay na oviana na oviana, na ianareo na ny taranakareo.
Mpitsara 13:7 - DIEM PROTESTANTA Nilazany aho fa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary norarany aho tsy hisotro divay na toaka sady tsy hihinana sakafo maloto, satria io zaza io dia ho voatokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka mandra-pahafatiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy Izy tamiko: Indro, hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny, aza misotro divay na toaka ianao ary aza mihinana izay zavatra maloto na inona na inona izany; fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny ny zaza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nilazany aho fa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary norarany aho tsy hisotro divay na toaka sady tsy hihinana sakafo maloto, satria io zaza io dia ho voatokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka mandra-pahafatiny. Baiboly Katolika fa izao no nolazainy tamiko: Efa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy; koa ankehitriny aza misotro divay na lalikera mahery na mihinan-java-maloto, fa ho nazarean’Andriamanitra io zaza io hatrany am-bohoka ka mandra-pahafatiny». Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan-anaka hianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka hianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny. Malagasy Bible Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny La Bible en Malgache Hoy Izy tamiko: Indro, hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny, aza misotro divay na toaka ianao ary aza mihinana izay zavatra maloto na inona na inona izany; fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny ny zaza. |
Nefa namaly izy hoe: –Tsy misotro divay izahay, satria i Jônadaba, zanakalahin’i Rekaba sady razanay, dia efa nandidy anay hoe: «Aza misotro divay na oviana na oviana, na ianareo na ny taranakareo.
Taoriana dia nisy natsangako ho mpaminany ny zanakalahinareo, ary nisy nantsoiko ho Nazirita ny zatovonareo; ka mba tsy izany tokoa ve, ry taranak’i Israely? Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
mba hamepetra ny Israelita hoe: –Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady ho Nazirita mba hanokan-tena ho an’ny TOMPO,
Koa manomboka izao dia tandremo mba tsy hisotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana sakafo maloto,
Dia nody tany an-tranony ravehivavy ka niteny tamin’ny vadiny hoe: –Nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tamiko. Toa anjelin’Andriamanitra no fijery azy satria nahatahotra mihitsy izy. Tsy nanontaniako izay niaviany ary tsy nambarany ahy ny anarany.
Dia nivavaka tamin’ny TOMPO i Manôà ka nanao hoe: –Tompo ô, miangavy anao aho, mba avereno atỳ aminay ilay lehilahin’Andriamanitra izay efa nirahinao ka hampianatra anay ny tokony hataonay amin’ny zaza izay ho teraka.