Mpitsara 13:23 - DIEM PROTESTANTA Fa namaly azy ny vavy hoe: –Raha te hamono antsika ny TOMPO, dia tsy ho nanaiky ny sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina natolotsika, ary tsy ho nampahita antsika ireny zavatra rehetra ireny na ho nampandre antsika akory torolalana toy ireny aninkeo ireny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitraky NY TOMPO ny hahafaty antsika dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry avy tamin’ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa namaly azy ny vavy hoe: –Raha te hamono antsika ny TOMPO, dia tsy ho nanaiky ny sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina natolotsika, ary tsy ho nampahita antsika ireny zavatra rehetra ireny na ho nampandre antsika akory torolalana toy ireny aninkeo ireny. Baiboly Katolika Fa hoy ny navalin’ny vavy taminy: «Raha ny hahafaty antsika no tian’i Iaveh dia tsy ho nandray izay sorona dorana amana fanatitra tamin’ny tanantsika izy, na ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, na ho nampandre antsika androany zavatra toy izao». Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak’i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra odorana sy fanatitra hohanina tamin’ny tànantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny. Malagasy Bible Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak'i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana sy fanatitra hohanina tamin'ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny. La Bible en Malgache Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitraky NY TOMPO ny hahafaty antsika dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry avy tamin’ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny. |
Ireo mpanaja ny TOMPO no anehoany ny tsiambaratelony, satria ampahafantariny azy tokoa izay raketin’ny fanekempihavanany.
Inona ny amiko raha tsy natoky aho fa hahita ny hatsarampon’ny TOMPO eto amin’ity tany iainantsika ity?
Omeo porofo aho fa tsara fo Ianao; dia ho menatra ireo mpankahala ahy, rehefa mahita fa Ianao, TOMPO ô, no mamonjy sy mampionona ahy.
Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho dia ao anatin’ny Ray, ianareo ato anatiko ary Izaho ao anatinareo.
Dia novaliany hoe: –Raha misy olona tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ho tia azy ny Raiko, ary Izaho sy ny Raiko dia hankao aminy ka honina ao.
tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa ataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nampahafantariko anareo.
Ny maso tsy afaka hilaza amin’ny tanana ila hoe: «Tsy ilaiko ianao!» Ary ny loha tsy afaka hilaza amin’ny tongotra roa hoe: «Tsy ilaiko ianareo!»
Ary nitera-dahy ny vadin’i Manôà ka ny anarany nataony hoe Samsôna. Dia nihalehibe ny zaza, ary ny TOMPO nitahy azy.