Nanontany azy ireo i Itsehàka hoe: –Inona moa no alehanareo aty amiko, kanefa ianareo nankahala sy nandroaka ahy?
Mpitsara 11:7 - DIEM PROTESTANTA Fa novalian’i Jiftà hoe: –Moa tsy nankahala ahy ve ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon’ny raiko? Koa nahoana no mankatỳ amiko ianareo ankehitriny, rehefa tra-pahoriana? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy i Jefta tamin’ireo loholon’i Gileada: Tsy ianareo va no nankahala ahy ka nandroaka ahy hiala tao amin’ny tranon’ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny rehefa azom-pahoriana? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa novalian’i Jiftà hoe: –Moa tsy nankahala ahy ve ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon’ny raiko? Koa nahoana no mankatỳ amiko ianareo ankehitriny, rehefa tra-pahoriana? Baiboly Katolika Fa hoy i Jefte tamin’ny loholon’i Galaada: «Tsy efa nankahala ahy sy nandroaka ahy hiala tao an-tranon’i kaky va ianareo? Ka ahoana indray no alehanareo atỳ amiko, nony zoim-pahoriana ianareo izao?» Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Jefta tamin’ny loholon’i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va hianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon’ny raiko? Koa nahoana no mankatỳ amiko indray hianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana? Malagasy Bible Fa hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana? La Bible en Malgache Fa hoy i Jefta tamin’ireo loholon’i Gileada: Tsy ianareo va no nankahala ahy ka nandroaka ahy hiala tao amin’ny tranon’ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny rehefa azom-pahoriana? |
Nanontany azy ireo i Itsehàka hoe: –Inona moa no alehanareo aty amiko, kanefa ianareo nankahala sy nandroaka ahy?
Andeha hamidintsika amin’ireto Jismahelita ireto izy fa tsy hikasi-tanana azy isika, satria rahalahintsika izy ary fianakaviantsika ihany. Dia nanaiky ireo rahalahiny.
Ny namana dia izay tia amin’ny fotoana rehetra, ka miseho toy ny mpiray tampo izy amin’ny fahoriana.
Hanatona hiondrika eo anatrehanao ireo olona nampahory anao, ary handohalika eo am-paladianao ireo rehetra naneso anao ka hiantso anao hoe: «Tanànan’ny TOMPO» «I Tsiôna-n’ilay Masin’i Israely.»
Indro atolotro anao ny sasany avy amin’ireo olona mivavaka amin’i Satàna: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao.
ka nanao taminy hoe: –Avia ho mpitarika ny tafikay ianao, mba hahafahanay miady amin’ny Hamônita.