Hoy i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka: –Aoka hihazakazahako any amin’ny mpanjaka ny fitondrana ity vaovao mahafaly ny amin’ny nanomezan’ny TOMPO azy rariny ity ka nanafahany azy tamin’ny fahavalony.
Mpitsara 11:36 - DIEM PROTESTANTA Fa namaly azy ny zanany vavy hoe: –Dada ô, raha nanao voady tamin’ny TOMPO ianao, dia tanteraho amiko izay efa naloaky ny vavanao taminy satria IZY efa namela anao hamaly faty ny Hamônita fahavalonao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy ny zanany vavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin’NY TOMPO ary ianao dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao satria NY TOMPO efa namaly anao tamin’ny Amonita fahavalonao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa namaly azy ny zanany vavy hoe: –Dada ô, raha nanao voady tamin’ny TOMPO ianao, dia tanteraho amiko izay efa naloaky ny vavanao taminy satria IZY efa namela anao hamaly faty ny Hamônita fahavalonao. Baiboly Katolika Dia hoy izy taminy: «Dada ô, efa niloa-bava tamin’i Iaveh ianao, ka ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria efa novalian’i Iaveh ny nataon’ny taranak’i Amôna fahavalonao taminao». Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy ny zanani-vavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin’i Jehovah ary hianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak’i Amona fahavalonao ho anao. Malagasy Bible Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin'i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak'i Amona fahavalonao ho anao. La Bible en Malgache Fa hoy ny zanany vavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin’NY TOMPO ary ianao dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao satria NY TOMPO efa namaly anao tamin’ny Amonita fahavalonao. |
Hoy i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka: –Aoka hihazakazahako any amin’ny mpanjaka ny fitondrana ity vaovao mahafaly ny amin’ny nanomezan’ny TOMPO azy rariny ity ka nanafahany azy tamin’ny fahavalony.
Ary tonga tamin’izay ilay Kosita ka nanao hoe: –Manam-baovao tsara ho anao aho, ry andriamanjaka; fa ankehitriny ny TOMPO efa nanome rariny anao ka nanafaka anao tamin’ireo rehetra nitsangana hikomy aminao.
Ary hoy ny mpanjaka taminy: –Ahoana indray no mbola ilazanao izany? Ambarako fa ianao sy i Tsibà no hifampizara ny tanin’i Saoly.
Niteny tamin’ireo filohan’ny foko israelita i Mosesy ka nampita izao baikon’ny TOMPO izao:
Kanefa tsy ataoko ho zavatra ny aiko mba hahatontosako hatramin’ny farany ilay hazakazaka imasoako sy hahatomombana ilay fanompoana nankinin’i Jesoa Tompo tamiko, dia ny ho vavolombelona hanambara ny Vaovao Mahafaly momba ny fahasoavan’Andriamanitra.
Kanefa dia novaliany hoe: –Nahoana no mitomany ianareo, ka mitady hanakivy ahy. Izaho dia tsy vonon-kifatotra ihany, fa vonon-ko faty koa any Jerosalema mba ho voninahitr’i Jesoa Tompo.
Nanao vy very ny ainy hamonjena ahy izy mivady, ary tsy izaho ihany no misaotra azy roa fa ny Fiangonana rehetra any amin’ny hafa firenena koa.
fa ny asan’i Kristy no saika nahafaty azy: nanao vy very ny ainy izy hanatanteraka izay tsy azonareo natao, dia ny fitondrana ilay fanampianareo hatratỳ amiko.
Ny voalohany dia i Sihôna, mpanjaka amôrita izay nonina tao Hesbôna: izy no nanjaka tamin’ny antsasaky ny lohasahan-driaka Arnôna hatreo Harôhera no midina, sy tamin’ny antsasaky ny faritany Gilehada tafapaka hatrany amin’ny renirano Jabôka izay sisintanin’ny Hamônita;