Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 11:3 - DIEM PROTESTANTA

Dia nandositra lavitra ny rahalahiny i Jiftà ka nonina tao amin’ny faritanin’i Tôba. Ary nisy koa olom-poana nivondrona teo aminy ka nanao asan-jirika niaraka taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nandositra ny rahalahiny i Jefta ka nonina tany amin’ny tany Toba; dia nisy olom-poana maromaro nanara-dia an’i Jefta ka niara-nanafika taminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nandositra lavitra ny rahalahiny i Jiftà ka nonina tao amin’ny faritanin’i Tôba. Ary nisy koa olom-poana nivondrona teo aminy ka nanao asan-jirika niaraka taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nandositra lavitra ny rahalahiny i Jefte, ka nonina tany amin’ny tany Tôba. Ary nisy olom-poana nitambatra taminy, ary niara-nandehandeha izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin’ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin’i Jefta ka niaraka taminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin'ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin'i Jefta ka niaraka taminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nandositra ny rahalahiny i Jefta ka nonina tany amin’ny tany Toba; dia nisy olom-poana maromaro nanara-dia an’i Jefta ka niara-nanafika taminy.

Jereo ny toko



Mpitsara 11:3
9 Rohy Ifampitohizana  

Tsapan’i Hamônita fa tonga halan’i Davida izy. Koa naniraka olona ireo mba hanarama Sirianina avy any Bety-Rehôba sy avy any Tsôbà, dia miaramila an-tongotra miisa antokony roapolo; nokaramainy koa ny lehilahy antokony iray avy amin’ny mpanjakan’i Mahekà ary ny lehilahy antokony 12 avy any Tôba.


Dia niainga ny Hamônita ka nilahatra hiady teo akaikin’ny vavahadin-drenivohiny, fa ny Sirianina avy any Tsôbà sy avy any Rehôba mbamin’ny miaramila avy any Tôba sy avy any Mahekà kosa naka toerana teny an-tsaha.


Velom-pialonana kosa ny Jiosy, ka namory olon-dratsy avy amin’ireo vahoaka be nahaona teny an-dalambe. Dia nampihotakotaka ny olona ny Jiosy ka nampisavorovoro ny tanàna. Notamîn-dry zareo ny tranon’i Jasôna ary notadiaviny hoentina eo anatrehan’ny vahoaka ry i Paoly sy i Silasy.


Niteraka zanakalahy maro ny vadin’i Gilehada; ka nony efa lehibe ireny, dia nandroaka an’i Jiftà ary nilaza taminy hoe: –Tsy manan-jò amin’ny lova avy amin’ny raintsika ianao satria zanaky ny vehivavy hafa.


Ary nanome sekela volafotsy fitopolo avy tao amin’ny rakitry ny tempolin’i Bahala-Berita ho an’i Abimelèka izy. Izany vola izany no hividianan’i Abimelèka ireo olom-poana sy marivo salosana hanaraka azy.


Nitangorona teo aminy ny olona tokony ho efajato lahy, dia ireo olona sahirana sy ireo bokan-trosa ary ireo tsy faly; izy no tonga filohany.


Koa lasa i Davida mbamin’ny eninjato lahy mpiara-dia aminy, nankany amin’i Akisy, zanakalahin’i Mahôka sady mpanjakan’i Gata.