Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 11:1 - DIEM PROTESTANTA

Tany Gilehada, dia nisy miaramila mahery fo nantsoina hoe Jiftà, zanakalahin’ny vehivavy janga sy ny lehilahy atao hoe Gilehada.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

I Jefta gileadita dia lehilahy mahery; zanaky ny vehivavy janga izy, ary i Gileada no rainy niteraka azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tany Gilehada, dia nisy miaramila mahery fo nantsoina hoe Jiftà, zanakalahin’ny vehivavy janga sy ny lehilahy atao hoe Gilehada.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

I Jefte ilay Galaadita, dia lehilahy mpiady mahery. Zanaky ny vehivavy janga anankiray izy; ary i Galaada anefa no ray niteraka an’i Jefte.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

I Jefta gileadita dia lehilahy mahery; zanaky ny vehivavy janga izy, ary i Gileada no rainy niteraka azy.

Jereo ny toko



Mpitsara 11:1
6 Rohy Ifampitohizana  

Nahamàna no anaran’ny filohan-tafiky ny mpanjakan’i Siria. Lehilahy mendri-kaja sy to teny teo anatrehan’ny tompony izy satria ny Sirianina efa nampandresen’ny TOMPO tamin’ny alalany. Marary hoditra anefa izany lehilahy maherifo izany.


Ary inona koa no holazaiko? Tsy hanam-potoana aho raha hilazalaza momba an-dry i Gidehôna sy i Baràka, ry i Samsôna sy i Jeftà, ry i Davida sy i Samoela ary ny mpaminany.


Ary nifanontany ny foko tao Gilehada sy ny mpitarika azy ka nanao hoe: –Iza no lehilahy sahy hanapoaka ady amin’ny Hamônita? Izany lehilahy izany no ho filohan’ny mponina rehetra eto Gilehada.


Niteraka zanakalahy maro ny vadin’i Gilehada; ka nony efa lehibe ireny, dia nandroaka an’i Jiftà ary nilaza taminy hoe: –Tsy manan-jò amin’ny lova avy amin’ny raintsika ianao satria zanaky ny vehivavy hafa.


Ary nisehoan’ilay anjelin’ny TOMPO izy ka nilazany hoe: –Ny TOMPO no momba anao, ry ilay mpiady mahery fo!


Ary ny TOMPO naniraka an’i Gidehôna sy i Bedàna sy i Jeftà, ary farany ny tenako i Samoela, mba hamonjy anareo amin’ny fahavalo nanodidina anareo; koa dia nonina tsy nanana ahiahy teto amin’ny tany ianareo.