Kanjo nateza mafy ny tsipîkan’i Jôsefa, ary kinga hatrany ny sandry aman-tanany. Noho ny fiarovan’ilay Andriamanitra maherin’i Jakôba, noho ny anaran’ilay Mpiandry izay vatolampy iankinan’i Israely,
Mpitsara 1:22 - DIEM PROTESTANTA Ny taranak’i Efraîma sy i Manase zanakalahin’i Jôsefa kosa dia niakatra nanafika an’i Betela ary nombàn’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa niakatra koa ny taranak’i Josefa mba hamely an’i Betela; ary NY TOMPO nomba azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny taranak’i Efraîma sy i Manase zanakalahin’i Jôsefa kosa dia niakatra nanafika an’i Betela ary nombàn’ny TOMPO. Baiboly Katolika Niakatra namely an’i Betela koa ny fianakavian’i Josefa ary nomba azy ireo i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny taranak’i Josefa dia niakatra koa hamely an’i Betela; ary Jehovah nomba azy. Malagasy Bible Ary ny taranak'i Josefa dia niakatra koa hamely an'i Betela; ary Jehovah nomba azy. La Bible en Malgache Fa niakatra koa ny taranak’i Josefa mba hamely an’i Betela; ary NY TOMPO nomba azy. |
Kanjo nateza mafy ny tsipîkan’i Jôsefa, ary kinga hatrany ny sandry aman-tanany. Noho ny fiarovan’ilay Andriamanitra maherin’i Jakôba, noho ny anaran’ilay Mpiandry izay vatolampy iankinan’i Israely,
Dia niaraka tamin’i Hezekià ny TOMPO, ka nampahomby izay rehetra nataony. Nikomy tamin’ny mpanjakan’i Asiria izy ka tsy nety hofeheziny intsony.
Teo am-pelatanan’ny taranak’i Manase kosa i Bety-Seàna sy i Tahanàka ary i Megidao sy i Dôra, mbamin’ireo tanàna kely samy miankina aminy avy. Tamin’ireo tanàna ireo no nonenan’ny taranak’i Jôsefa, zanakalahin’i Jakôba.
i Elisamà zanak’i Hamihoda no avy amin’ny fokon’i Efraîma zanak’i Jôsefa; i Gamaliela zanak’i Pedahatsoro no avy amin’ny fokon’i Manase zanak’i Jôsefa;
satria ny taranak’i Jôsefa dia efa foko roa: ny fokon’i Manase sy ny fokon’i Efraîma. Koa tsy nomena zaratany ny levita afa-tsy tanàna honenana sy kijàna manodidina azy ho an’ny biby fiompiny mbamin’ny fananany hafa.
Efa nifantina tokony ho dimy arivo lahy moa i Josoa ka nametraka azy hamitsaka teo andrefan’ny tanàna, teo anelanelan’i Betela sy i Hay.
Avy tamin’ny fokon’i Zebolòna: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Jôsefa: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Benjamîna: 12 000 no voaisy tombokase.
Ny TOMPO mihitsy no efa nomba ny olon’i Joda tamin’izany, ka azony ny faritra be tendrombohitra. Nefa tsy voaroakany ireo mponin’ny tany lemaka, satria nanana kalesy vy ireny.
Fa ny Jebosita izay nonina tao Jerosalema kosa dia tsy voaroakan’ny taranak’i Benjamîna, ka mbola miara-nonina amin’ny taranak’i Benjamîna ao Jerosalema mandraka androany.
Nandefa iraka izy aloha mba hijery ny tanàna, izay nantsoina hoe Lozy tamin’izany fotoana izany.