Ary hoy i Kaleba hoe: –Izay olona mamely ka mahafaka an’i Kiriata-Sefera dia homeko azy i Haksa zanako vavy ho vadiny.
Mpitsara 1:13 - DIEM PROTESTANTA Ary i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza izay zandrin’i Kaleba, no nahazo ny tanàna; koa nomen’i Kaleba azy i Haksà zanany vavy ho vadiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Otniela, zanakalahin’i Kenaza, zandrin’i Kaleba, no nahazo azy ka nomeny azy ho vadiny i Aksa zanany vavy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza izay zandrin’i Kaleba, no nahazo ny tanàna; koa nomen’i Kaleba azy i Haksà zanany vavy ho vadiny. Baiboly Katolika Dia Otoniela zanak’i Keneza, zandrin’i Kaleba, no nahafaka azy, ka nomen’i Kaleba ho vadiny i Aksà zanany vavy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Otniela, zanakalahin’i Kenaza, zandrin’i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zanani-vavy ho vadiny. Malagasy Bible Ary Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny. La Bible en Malgache Ary i Otniela, zanakalahin’i Kenaza, zandrin’i Kaleba, no nahazo azy ka nomeny azy ho vadiny i Aksa zanany vavy. |
Ary hoy i Kaleba hoe: –Izay olona mamely ka mahafaka an’i Kiriata-Sefera dia homeko azy i Haksa zanako vavy ho vadiny.
I Hôtniela, ilay zanakalahin’i Kenaza rahalahin’i Kaleba, no nahafaka ny tanàna; koa nomen’i Kaleba azy i Haksà zanany vavy ho vadiny.
Dia hoy i Kaleba hoe: «Izay mandresy an’i Kiriata-Sefera ka mahazo azy dia homeko azy i Haksà zanako vavy ho vadiny.»
Koa niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny Israelita; ary IZY nanangana mpamonjy izay hanafaka ny Israelita, dia i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza izay zandrin’i Kaleba.