Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 1:3 - DIEM PROTESTANTA

Fa indro ny TOMPO mivoaka ny toerany, ary midina ka mandeha eny am-paratampon’ny tany;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa indro, NY TOMPO miala avy ao amin’ny fitoerany ary midina ka mandia ny havoana amin’ny tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa indro ny TOMPO mivoaka ny toerany, ary midina ka mandeha eny am-paratampon’ny tany;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa indro i Iaveh efa hivoaka avy ao amin’ny fonenany; hidina izy handia ny havoana amin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin’ny fitoerany Ary midina ka mandia ny havoana amin’ny tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin'ny fitoerany Ary midina ka mandia ny havoana amin'ny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa indro, NY TOMPO miala avy ao amin’ny fitoerany ary midina ka mandia ny havoana amin’ny tany.

Jereo ny toko



Mika 1:3
15 Rohy Ifampitohizana  

Eny, fijery mitsipalotra no anongany an’ireo mpiavonavona rehetra; ary eo amin’ny toerany eo ihany no ataovy montsana ny olon-dratsy.


Ilay Andriamanitray dia any an-danitra, ka efany avokoa izay tiany hatao.


Fa hipetraka amin’ity tendrombohitra ity ny tanam-piarovan’ny TOMPO!» Fa i Môaba kosa hohosihosena eo amin’ny toerany toy ny fanosihosy mololo ao am-pahitra tondra-drano.


Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany mba hanadina ny mponina amin’ny tany momba ny heloka vitany. Hasehon’ny tany ireo ra notrohiny ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina ho faty teo aminy.


Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanainga ahy hiala amin’ny tany; dia nandre horakoraka mafy tao ivohoko aho nanao hoe: «Hoderaina anie ny TOMPO any amin’ny toerana izay isehoan’ny voninahiny.»


Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra sy mpahary ny rivotra, Izy no manambara amin’ny olombelona ny fikasany, mahatonga ny maraina ho haizina sady mandeha eny am-paratampon’ny tany: Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao no anarany.


Ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, vao manendry ny tany, dia mampihovotrovotra azy; misondrotra sy mietry ny tany manontolo tahaka an’i Neily, onin’i Ejipta; ary misaona ny maty ireo mponina rehetra ao aminy.


Ny TOMPO Andriamanitra no heriko; mampalady ahy toy ny dieravavy Izy ka mampiriaria ahy eny an-kavoana. Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira: hohiraina miaraka amin’ny valiha.


Amin’izany andro izany Izy dia hitsangana eo amin’ny tendrombohitra Analanôliva izay eo atsinanan’i Jerosalema. Ary hitresaka roa ny tendrombohitra Analanôliva ka hisy lohasaha lehibe iray hiseho eo afovoany, manomboka avy any atsinanana no miankandrefana; ny antsasaky ny tendrombohitra dia hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa hianatsimo.


Nakariny teo an-tendron-kavoan’ilay tany izy, nampihinaniny ny vokatry ny saha, nampitsentsefiny tantely teny an-tsefatsefa-bato, sy nomeny menaka avy amin’ny faritra vatoana;


Sambatra ianareo, ry Israelita! Iza no tahaka anareo, ry vahoaka voavonjin’ny TOMPO? Izy no ampinga miaro anareo sy sabatra ireharehanareo. Hikoy aminareo ny fahavalonareo, ka hohitsahinareo ny toerana avo fivavahany.»