Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Zakaria 14:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Amin’izany andro izany Izy dia hitsangana eo amin’ny tendrombohitra Analanôliva izay eo atsinanan’i Jerosalema. Ary hitresaka roa ny tendrombohitra Analanôliva ka hisy lohasaha lehibe iray hiseho eo afovoany, manomboka avy any atsinanana no miankandrefana; ny antsasaky ny tendrombohitra dia hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa hianatsimo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Amin’izany andro izany ny tongony dia hijoro eo amin’ny Tendrombohitra Oliva izay manatrika an’i Jerosalema eo atsinanana; ary ny Tendrombohitra Oliva dia hitresaka eo afovoany, hiantsinanana sy hiankandrefana ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra dia hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa dia hianatsimo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Amin’izany andro izany Izy dia hitsangana eo amin’ny tendrombohitra Analanôliva izay eo atsinanan’i Jerosalema. Ary hitresaka roa ny tendrombohitra Analanôliva ka hisy lohasaha lehibe iray hiseho eo afovoany, manomboka avy any atsinanana no miankandrefana; ny antsasaky ny tendrombohitra dia hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa hianatsimo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Amin’izany andro izany, ny tongony hipetraka eo an-tendrombohitry ny Oliva, izay manandrify an’i Jerosalema amin’ny lafiny atsinanana, ka hitresaka eo afovoany miantsinanana sy miankandrefana ny tendrombohitry ny Oliva, ka hisy lohasaha lehibe, fa ny antsasaky ny tendrombohitra hitresaka mianavaratra, ary ny antsasany kosa hianatsimo;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary amin’izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin’i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa hianatsimo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva. izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 14:4
16 Rohy Ifampitohizana  

Nananika ny tendrombohitra Analanôliva tamin-dranomaso be i Davida, ka sady nisaron-doha izy no nandeha tsy nikiraro. Ny olona rehetra izay tafaraka taminy dia nisaron-doha avokoa, ka sady nananika ny tendrombohitra no nitomany.


Avy eo dia niakatra niala teo afovoan’ny tanàna ny voninahitry ny TOMPO ka nijanona teo amin’ilay tendrombohitra atsinanan’i Jerosalema.


Koa na ny trondro any an-dranomasina na ny voro-manidina na ny bibidia na ny bibikely isan-karazany mihetsiketsika amin’ny tany na ny olombelona rehetra eny ambonin’ny tany dia samy hangorohoro eo anatrehako. Ny tendrombohitra hietry, ny harana hikoa ary ny manda hirodana.


Koa hitako tonga avy any atsinanana ny voninahitr’ilay Andriamanitr’i Israely; narahina feo tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina izany ary nanazava ny tany tamin’ny famirapiratany.


Mihorohoro ny tany, rehefa mijadona Izy. Vao jereny ny firenena, dia mangovitra. Torotoro ireo tendrombohitra mandrakizay, mietry ireo havoana fahagola, dia ireo havoana fandalovany taloha.


Hovana lemaka ny faritra manontolo manodidina an’i Jerosalema, manomboka any Gebà any avaratra ka hatrany Rimôna any atsimo. I Jerosalema dia hisandratra ambonin’ireo tany manodidina azy; ary ny tanàna dia hitatra manomboka eo amin’ny vavahadin’i Benjamîna ka hatramin’ny vavahadin-joro, dia eo amin’ny toeran’ny vavahady tranainy, ary koa manomboka eo amin’ny tilikambon’i Hananehela ka hatramin’ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.


Dia ho andro fahizay lalandava; ka tsy hisy andro sy alina miavaka intsony, fa hazava hatrany na dia ny alina aza. Ary ny Tompo irery no mahalala ny fotoana hisehoan’izany.


Ary amin’izany andro izany dia hisy loharano hifantsitsitra mandavantaona avy ao Jerosalema; ka ny antsasany hivarina any amin’ny Ranomasina Maty ary ny antsasany any amin’ny Ranomasina Mediteranea.


Sady niteny koa ny Tompo hoe: «Sakana va io tendrombohitra lehibe io? Holemahin’i Zerobabela izy. Hoesoriny avy ao ny vato izay hatao tendron’ny tempoly ka hantsoantsoin’ny olona hoe: ‹Mahafinaritra, mahafinaritra!› »


Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe: «Mialà eo, ary mianjerà any an-dranomasina», ka tsy misalasala ao am-po, fa mino hoe ho tonga izay lazainy, dia ho tanteraka aminy tokoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra