Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 26:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany mba hanadina ny mponina amin’ny tany momba ny heloka vitany. Hasehon’ny tany ireo ra notrohiny ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina ho faty teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Fa indro NY TOMPO mivoaka avy amin’ny fitoerany hampamoaka ny mponina amin’ny tany ny helony; hampiseho ny ra izay nofohiny ny tany ka tsy hanafina intsony ny olona izay novonoina teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany mba hanadina ny mponina amin’ny tany momba ny heloka vitany. Hasehon’ny tany ireo ra notrohiny ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina ho faty teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Fa indro i Iaveh mivoaka avy amin’ny fonenany, hizaha ny tsy fahamarinan’ny mponina amin’ny tany; ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny, ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ny fitoerany Hamaly ny mponina amin’ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny Ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Fa indro NY TOMPO mivoaka avy amin’ny fitoerany hampamoaka ny mponina amin’ny tany ny helony; hampiseho ny ra izay nofohiny ny tany ka tsy hanafina intsony ny olona izay novonoina teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 26:21
28 Rohy Ifampitohizana  

Ry tany ô, miraraka ny rako ka aza rakofanao izany, fa aoka ho re hatraiza hatraiza ny fitarainako.


Ny lanitra mampiharihary ny helok’io olona io, ary ny tany mitsangan-kiampanga azy.


Amin’ny andro famalian’ny TOMPO, raha ho tonga avy any lavitra ny rambondanitra handrava, inona no azonareo atao, aiza no handosiranareo hitadiavam-bonjy ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?


Hoy ny Tompo hoe: «Hirotsaka an-tsehatra Aho hamaly ny faharatsian’izao tontolo izao sy ny heloka vitan’ny olon-dratsy. Hatsahatro ny fireharehàn’ny mpiavonavona ary haetriko ny rehaky ny mpanao didy jadona.


Fa izao no nolazain’ny TOMPO tamiko: «Avy etỳ amin’ny fonenako ambony etỳ no andinihako izay miseho, ka tsy mihontsona mihitsy Aho toy ny hafanana migaingaina apariakan’ny masoandro sy toy ny raho-manify amin’ny fotoam-pijinjana.»


Koa ny TOMPOn’izao rehetra izao dia mampandre ahy ny hafatra hoe: «Mianiana Aho fa mandra-pahafatinareo dia tsy havelako mihitsy izany helokareo izany. Izaho Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no efa niteny.»


no hiavian’ny famaliana hamonjena anao avy amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, Izay hombàn’ny kotro-baratra sy ny horohoron-tany ary firohondrohona mafy, hombàn’ny tadio sy ny tafio-drivotra ary ny lelafo mandevona.


Indro voasoratra eto anatrehako avokoa ireny, koa tsy hangina Aho raha tsy voavaliko ny nataony, ary hovaliako mitafotafo mihitsy aza;


ka indray hatsingeriko aminy, hoy Aho, ny heloka vitany sy ny heloky ny razany. Satria ireto koa efa nandoro zava-manitra mifangaro ho an’ny sampy teny an-tendrombohitra sy nihantsy Ahy teny amin’ny havoana; ka dia ho fatra mitafotafo mihitsy no hasetriko ny fitondrantenany fahiny!


Injany misy feo avy any an-tanàna, misy feo avy ao amin’ny tempoly: dia feon’ny Tompo Izay mamaly ny nataon’ny fahavalony.


Dia hoy indray ny Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izay ataon’ny olona eo? Fa ny firenen’i Israely dia manao izay fomba maharikoriko mba hampanalavitra Ahy amin’ity toerako masina ity. Nefa mbola hahita fomba hafa maharikoriko toy izany ianao.»


Tsy misaina ianareo! Moa tsy ilay Andriamanitra nanao ny etỳ ivelany ve no nanao ny ao anatiny koa?


Koa hanadinan’Andriamanitra ny olona ankehitriny ireo mpaminany rehetra izay nalatsa-dra hatramin’ny nahariana izao tontolo izao,


Fa ny ran’ireo anisan’ny vahoakan’Andriamanitra sy ny ran’ireo mpaminany no nalatsak’ireny olona ireny; ka dia ra kosa no efa nomenao hosotroiny, ary mendrika azy izany.»


Hatsipy mafy toy izany i Babilôna, satria tao aminy no nahitana ny ran’ireo mpaminany sy ny ran’ireo vahoakan’Andriamanitra ary ny ran’izay rehetra novonoina tetỳ ambonin’ny tany!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra