Aza aely any Gata izany vaovao izany na torina eny an-dalamben’i Askelôna, fandrao hifalian’ny vehivavin’ny Filistinina na hibitahan’ny tovovavin’ny mpanompo sampy.
Mika 1:10 - DIEM PROTESTANTA Aza ambara any Gata izany fa tazony ny ranomasonareo! Ry mponina ao Bety-Hafrà, mihosinkosena amin’ny vovoka ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza ambaranareo any Gata izany ary aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Bety-Le-afra aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aza ambara any Gata izany fa tazony ny ranomasonareo! Ry mponina ao Bety-Hafrà, mihosinkosena amin’ny vovoka ianareo. Baiboly Katolika Aza ambaranareo any Geta izany; aza mitomany any Akao ianareo! Mihosinkosina amin’ny vovoka any Bet-Afrà aho. Baiboly Protestanta Malagasy Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Betile-afra aho. Malagasy Bible Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Beti-le-afra aho. La Bible en Malgache Aza ambaranareo any Gata izany ary aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Bety-Le-afra aho. |
Aza aely any Gata izany vaovao izany na torina eny an-dalamben’i Askelôna, fandrao hifalian’ny vehivavin’ny Filistinina na hibitahan’ny tovovavin’ny mpanompo sampy.
Ry vahoakako, misikìna lamba fisaonana ka mihosena amin’ny vovoka; ataovy ny fombafomba rehetra fanao amin’ny fisaonana zanaka lahitokana, ka mitomania fatratra ianareo fa ho avy tampoka ny fahavalo mpandringana.
Noho izany, dia mangina ny olon-kendry amin’izao fotoana izao satria fotoana ratsy izao.
Ny tompo-manjo no haka ny faty, sy voatery hamoaka azy hiala ny trano, sady hiteny amin’izay anankiray sisa velona ao an-trano hoe: «Mbola misy ve miaraka aminao?» Ka hovaliany hoe: «Tsy misy intsony!» Ary hampiany hoe: «Mangina! Fa aza tonontononina ny anaran’ny TOMPO.»