Nipetraka nanoloana an’i Jôsefa arakara-jokiny ireo rahalahin’i Jôsefa, manomboka amin’ny lahimatoa ka miafara amin’ny faralahy. Dia nifampijerijery ireo sady gaga.
Matio 8:10 - DIEM PROTESTANTA Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin’ireo nanaraka Azy nanao hoe: –Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nony nahare izany Jesosy dia gaga ka niteny tamin’izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa mbola tsy nahita finoana lehibe toy izany teo amin’ny Israely Aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin’ireo nanaraka Azy nanao hoe: –Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin’i Israely. Baiboly Katolika Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy izy tamin’izay nanaraka Azy: «Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin’izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin’ny Isiraely aza. Malagasy Bible Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza. La Bible en Malgache Ary nony nahare izany Jesosy dia gaga ka niteny tamin’izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa mbola tsy nahita finoana lehibe toy izany teo amin’ny Israely Aho. |
Nipetraka nanoloana an’i Jôsefa arakara-jokiny ireo rahalahin’i Jôsefa, manomboka amin’ny lahimatoa ka miafara amin’ny faralahy. Dia nifampijerijery ireo sady gaga.
Tamin’izay dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe: –Lehibe ny finoanao, ramatoa; aoka ho tonga aminao araka izay irînao. Ary nanomboka tamin’io ora io dia sitrana ilay zanany vavy.
Ambarako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-misakafo amin-dry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba any amin’ny Fanjakàn’ny lanitra.
Izaho manko, na ambany fahefan’olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.
Dia gaga i Jesoa, satria tsy nanam-pinoana ry zareo. Ary nitety ny tanàna kely manodidina i Jesoa, ka nampianatra.
Hitan’i Jesoa ny finoan’ireo olona ka hoy Izy tamin’ilay marary: –Andriamatoa, voavela ny helokao!
Fa hoy indray i Jesoa tamin-dravehivavy: –Ny finoanao no nahavonjy anao! Ndeha àry ka veloma finaritra!
Gaga tamin’ilay kapiteny i Jesoa raha nandre izany, ary dia nitodika tamin’ny vahoaka nanaraka Azy ka nanao hoe: –Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza!
Talanjona sy gaga izy rehetra sady vaky vava hoe: –Fa tsy avy any Galilea avokoa ve ireo miteny ireo?