Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 6:3 - DIEM PROTESTANTA

Fa ianao kosa, rehefa manao fiantrana, aoka na dia ny olona sakaizanao indrindra aza tsy hahalala izay ataonao,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao havia izay ataon’ny tananao havanana

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa ianao kosa, rehefa manao fiantrana, aoka na dia ny olona sakaizanao indrindra aza tsy hahalala izay ataonao,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa raha manao fiantrana ianao, aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa hianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tànanao ankavia izay ataon’ny tànanao ankavanana,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao havia izay ataon’ny tananao havanana

Jereo ny toko



Matio 6:3
7 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hifanditra aman’olona Izy na hihorakoraka, ary tsy handrenesana ny feony eny an-dalambe.


Koa rehefa manao fiantrana ianao, aza dia antsoantsoina ho ren’ny tany ama-monina, sahala amin’ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy any amin’ny sinagôga sy eny an-dalambe, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany.


hany ka miafina no anaovanao ny fiantrànao; ary ny Rainao Izay mahita ao amin’ny miafina no hamaly soa anao.


Ary hoy i Jesoa taminy: –Tandremo ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.


Dia nahiratra ny mason’izy roa lahy, fa i Jesoa namepetra azy mafy hoe: –Tandremo sao fantatr’olona izao!


nataony hoe: –Tandremo mihitsy ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.


Fa tsy misy olona manafina izay ataony raha mitady ho fanta-bahoaka. Raha manao ireny zavatra ireny Ianao, dia misehoa amin’izao tontolo izao.