dia niteny anakampo i Gehazỳ mpanompon’i Elisà hoe: «Nalefan’ny tompoko tamin’izao fotsiny lahy i Nahamàna ilay Sirianina fa tsy nakany na inona na inona tamin’ny zavatra nentiny. Velona ny TOMPO, ka milokaloka aho fa tsy maintsy hotratrariko iny hahazoako zavatra.»
Efa niala tamin’ny lala-mahitsy izy ireo ka nivily nanaraka ny lalana efa nizoran’i Balahàma, zanakalahin’i Behôra: i Balahàma dia nankamamy ny tambin’ny asa ratsiny,
fa ny miaramila kosa, raha nanavaka ireo biby izay tsara indrindra tokony ho naringana, dia ny hanolorana azy ho sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrao eto Gilgàla.
Fa i Saoly sy ny miaramila kosa nitsimbina ny ain’i Agaga mbamin’izay tsara indrindra amin’ny biby fiompy, toy ny omby aman’ondry, mifahy na tsia, izany hoe rehefa biby tsara rehetra misy vidiny. Fa izay tsy misy vidiny sy tsy ilaina kosa dia samy naringany avokoa.