Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 26:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Tsikaritr’i Jesoa izany ka hoy Izy tamin’ny mpianany: –Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo an-dravehivavy? Eny, asa soa iny nataony tamiko iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary fantatr’i Jesosy izay nataon’ireo ka hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no manao izay mampalahelo io vehivavy io? Fa asa soa no nataony tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Tsikaritr’i Jesoa izany ka hoy Izy tamin’ny mpianany: –Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo an-dravehivavy? Eny, asa soa iny nataony tamiko iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Nahalala izany i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Nahoana ianareo no manao ny mampalahelo an-dravehivavy io? Asa soa izay vao nataony tamiko:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary fantatr’i Jesosy izay nataon’ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana hianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary fantatr'i Jesosy izay nataon'ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary fantatr’i Jesosy izay nataon’ireo ka hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no manao izay mampalahelo io vehivavy io? Fa asa soa no nataony tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 26:10
24 Rohy Ifampitohizana  

Dia nambarako azy ny fiarovana nanambinan’Andriamanitra ahy ary koa ny teny nolazain’ny amperôra tamiko; ka hoy ireo hoe: –Ndao àry isika hanorina ny tanàna! Dia nivonon-kanao izany asa soa izany tamin-kerimpo ry zareo.


Fanompoana an’Andriamanitra ve no anaovanareo lahateny tsy mitombina? Fimasoana Azy ve no ilazanareo fitaka?


Ny mahantra dia misy eto aminareo mandrakariva; fa Izaho kosa tsy mba eto aminareo mandrakariva.


Azo namidy lafo be iny ilomanitra iny ka omena ny mahantra ny vidiny.


Fa hoy i Jesoa: –Avelao izy! Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo azy? Asa soa iny nataony tamiko iny.


Raha mbola niteny i Jesoa, dia nisy iraka tonga avy any an-tranon’ity lehiben’ny sinagôga nanao tamin’i Jaîro hoe: –Efa maty ny zanakao vavy, ka aza sahiraninao intsony ny Mpampianatra.


Ary hain’Andriamanitra omena mitafotafo anareo ny soa isan-karazany, ka hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ianareo, sady hanana mitafotafo hoentinareo manao asa soa isan-karazany,


Tsy hoe misy Vaovao Mahafaly hafa tsy akory, saingy misy olona mandrebireby anareo ary te hamilavila ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy.


Enga anie ka hanakilema ny tenany mihitsy aza ireo mpanabataba anareo!


Amin’ny ho avy, aoka tsy hisy olona hanahirana ahy intsony; fa izaho dia mitondra ny diam-pery eo amin’ny tenako noho ny maha mpanompon’i Jesoa ahy.


Fa asan’Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin’i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman’Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin’ny fiainantsika.


Izany no hanananareo fitondrantena mendrika ny Tompo, ka hanaovanareo mandrakariva izay ankasitrahiny; dia hahavokatra amin’ny asa soa isan-karazany ianareo sady hitombo fahalalana tsara an’Andriamanitra,


hampionona ny fonareo ary hampahery anareo hanao izay tsara rehetra na amin’ny asa na amin’ny teny.


Azo antoka izao teny izao: raha misy olona maniry ny asan’ny mpitondra Fiangonana, dia maniry asa tsara izy.


ary tsara laza amin’ny asa soa vitany; vehivavy nitaiza tsara ny zanany, nampiantrano vahiny, nanasa ny tongotr’ireo namana kristianina, nanampy ny nozoim-pahoriana, nazoto tamin’ny asa soa isan-karazany.


Izay olona miezaka hadio fo ka miala amin’ireo haratsiana ireo dia ho tahaka ny fanaka mihaja, satria voatokana ho an’ny Tompo izy sady misy ampiasany azy ary voavoatra hanao asa soa isan-karazany.


Miaiky izy fa mahalala an’Andriamanitra, nefa mandà Azy amin’ny ataony; ka olona mpanimbazimba sady tsy mba manoa ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.


I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.


Ampahatsiarovy ny mpino mba hanaiky ny mpitondra sy ny manampahefana, hanoa azy ka ho vonona hanatontosa izay rehetra mety ho asa soa.


Aoka ny olontsika hiezaka hanao asa tsara koa mba ho afa-manampy rehefa misy mahatery, fandrao tsy hisy vokany ny fiainany.


Teny azo antoka izany! Tiako hoantitranterinao ireo zavatra ireo mba himasoan’ny mpino an’Andriamanitra hiezaka manao asa tsara; izany no tsara sady mahasoa ny olona.


Andriamanitra loharanon’ny fiadanana anie hahatonga anareo ho vonon-kanao ny asa soa rehetra mba hanatanterahanareo ny sitrapony; ka hataony ao anatintsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy anie izay sitrany. Ho an’i Jesoa Kristy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.


Manàna fitondrantena tsara eo anivon’ny mpanompo sampy; fa na dia endrikendrehiny ho mpanao ratsy aza ianareo, dia ho hitany tokoa ny asa tsara ataonareo, ka hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro hiavian’i Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra