Ary ny bibilava no fetsy indrindra, tamin’ny bibidia rehetra nataon’ny TOMPO Andriamanitra. Hoy izy tamin-dravehivavy: –Marina ve fa noraran’Andriamanitra tsy hihinana ny voan’ny hazo rehetra ao an-jaridaina ianareo?
Matio 26:4 - DIEM PROTESTANTA Ary niara-nioko izy rehetra hisambotra an’i Jesoa am-pitaka sy hamono Azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niara-nihevitra ny hisambotra an’i Jesosy amin’ny fitaka izy ireo ka hamono Azy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary niara-nioko izy rehetra hisambotra an’i Jesoa am-pitaka sy hamono Azy. Baiboly Katolika ary niara-nioko hisambotra an’i Jesoa am-pitaka, sy hamono Azy izy ireo; Baiboly Protestanta Malagasy Ary niara-nihevitra izy hisambotra an’i Jesosy amin’ny fitaka ka hamono Azy; Malagasy Bible Ary niara-nihevitra izy hisambotra an'i Jesosy amin'ny fitaka ka hamono Azy; La Bible en Malgache Ary niara-nihevitra ny hisambotra an’i Jesosy amin’ny fitaka izy ireo ka hamono Azy; |
Ary ny bibilava no fetsy indrindra, tamin’ny bibidia rehetra nataon’ny TOMPO Andriamanitra. Hoy izy tamin-dravehivavy: –Marina ve fa noraran’Andriamanitra tsy hihinana ny voan’ny hazo rehetra ao an-jaridaina ianareo?
ireo mpanjakan’ny tany miomana hiady; ireo andriana miara-mioko hanohitra ny TOMPO sy ilay Mesiany.
Ry ilay olon-dratsy, aza anaovanao otrika eo akaikin’ny tranon’ny olo-marina, ary aza ravanao ny fonenany;
Fa lasa nivoaka ny sinagôga kosa ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hamonoana an’i Jesoa.
–Ry bibilava, tarana-menarana, hataonareo ahoana no fandositra tsy ho voaheloka any amin’ny lohasahan’afo?
Indroa andro sisa tsy hahatongavan’ny fankalazana ny Paska sy ny azima, dia nitady izay hisamborana an’i Jesoa am-pitaka ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna hamonoany Azy.
sady nanao hoe: –Ry ilay andevozin’ny devoly ity! Feno fitaka sy faharatsiana isan-karazany ianao, ary mpanohitra ny marina rehetra nosoritan’Andriamanitra! Mbola te hisompatra foana ny lala-mahitsin’ny Tompo ve ianao?
Fetsy ratsy tamin’ny firenentsika io mpanjaka io ary tsy nifaditrovana tamin’ny razantsika ka nanery azy ireo hanary ny zazalahy vao teraka mba tsy hahavelona azy ireny.
Saingy atahorako fandrao hihasimba ny toe-tsainareo, ka hilaozanareo ny firaiketam-po mahitsy sy madio amin’i Kristy, tahaka ny nahavoafitaka an’i Eva tamin’ny lainga tsara lahatra nataon’ny bibilava.