–Miaingà ka mankanesa any Tsarefata akaikin’i Tsidôna ary mitoera any; fa misy vehivavy mpitondratena any, izay efa nomeko baiko mba hamatsy hanina anao.
Matio 21:3 - DIEM PROTESTANTA Ary raha misy olona manontany anareo, dia valio hoe: «Misy ilàn’ny Tompo azy!» Dia havelany hoentinareo miaraka amin’izay ny boriky vavy sy ny zanany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha misy miteny anareo dia lazao hoe: Misy ilàn’ny Tompo azy; ary havelany hoentinareo avy hatrany izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary raha misy olona manontany anareo, dia valio hoe: «Misy ilàn’ny Tompo azy!» Dia havelany hoentinareo miaraka amin’izay ny boriky vavy sy ny zanany. Baiboly Katolika ka raha tahiny misy miteny aminareo, dia ilazao hoe: ‹Misy ilàn’ny Tompo azy› dia havelany hoentinareo miaraka amin’izay izy.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin’izay izy. Malagasy Bible Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin'izay izy. La Bible en Malgache Ary raha misy miteny anareo dia lazao hoe: Misy ilàn’ny Tompo azy; ary havelany hoentinareo avy hatrany izy. |
–Miaingà ka mankanesa any Tsarefata akaikin’i Tsidôna ary mitoera any; fa misy vehivavy mpitondratena any, izay efa nomeko baiko mba hamatsy hanina anao.
Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’i Kirôsa amperôran’i Persia no tanteraka ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany. Nanaitra fanahy an’i Kirôsa manko tamin’izay ny TOMPO ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran’ny fanjakany manontolo ireto hafatra ireto:
Dia nioman-kiainga ny loham-pianakaviana tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Benjamîna mbamin’ny mpisorona sy ny levita, izany hoe izay rehetra nampirisihin’ny TOMPO Andriamanitra hiakatra hanorina ilay tranony any Jerosalema.
«Hankalazaina anie ny TOMPO Andriamanitry ny razanay, hoy i Hezrà. Fa Izy no nanoro hevitra ny amperôra hanatsara endrika ny tranony any Jerosalema;
Salamo nataon’i Davida An’ny TOMPO izao tontolo izao sy izay eo aminy. Azy koa ny tany sy ny mponina ao aminy:
–Mankanesa amin’itsy tanàna manoloana anareo itsy. Vantany vao migadona ao ianareo, dia hahita boriky vavy mifatotra sy ny zanany miaraka aminy: vahao ilay boriky vavy dia ento atỳ amiko ombàn-janany.
Izany dia tonga mba ho tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe:
Araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ny olombelona rehetra, dia omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezany aina maharitra mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.
Ny Ray dia fatra-pitia ny Zanaka, ary efa nametraka ny zavatra rehetra eo am-pelatanany.
Tsy hoe orin-javatra Andriamanitra ka tompoin’olombelona, satria Izy ihany no manome ny aina sy ny fofon’aina mbamin’ny zavatra rehetra ho an’ny olombelona tsy an-kanavaka.
Hisaorana anie Andriamanitra Izay nahatonga an’i Tito ho mazoto miasa ho anareo tahaka ny ataonay koa!
Satria fantatrareo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika: fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny fahantrany.
ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana lavorary rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’Andriamanitra Ray, mpahary ny fanazavana eny amin’ny habakabaka, Ilay tsy manam-piovaovana ary tsy misy aloka avy amin’ny fihodinana.
I Saoly koa mba nody tany aminy any Gibehà, niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy izay nentanin’Andriamanitra ho mpomba azy.