Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 1:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’i Kirôsa amperôran’i Persia no tanteraka ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany. Nanaitra fanahy an’i Kirôsa manko tamin’izay ny TOMPO ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran’ny fanjakany manontolo ireto hafatra ireto:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, dia notairin’NY TOMPO ny fanahin’i Kirosy mpanjakan’i Persia mba hanatanteraka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Jeremia, koa nandefa teny manerana ny fanjakany rehetra izy; nataony an-tsoratra izany ary milaza hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’i Kirôsa amperôran’i Persia no tanteraka ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany. Nanaitra fanahy an’i Kirôsa manko tamin’izay ny TOMPO ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran’ny fanjakany manontolo ireto hafatra ireto:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjakan’i Persa, dia namporisihin’i Iaveh ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa, mba hahatanteraka ny tenin’i Iaveh, nolazainy tamin’i vavan’i Jeremia: ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra, hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia, dia notairin’i Jehovah ny fanahin’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’i Jehovah izay nampilazainy an’i Jeremia, ka dia nandefa teny eran’ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, dia notairin’NY TOMPO ny fanahin’i Kirosy mpanjakan’i Persia mba hanatanteraka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Jeremia, koa nandefa teny manerana ny fanjakany rehetra izy; nataony an-tsoratra izany ary milaza hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 1:1
23 Rohy Ifampitohizana  

Dia nioman-kiainga ny loham-pianakaviana tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Benjamîna mbamin’ny mpisorona sy ny levita, izany hoe izay rehetra nampirisihin’ny TOMPO Andriamanitra hiakatra hanorina ilay tranony any Jerosalema.


Fa i Zerobabela sy i Jesoa mbamin’ireo namany loham-pianakaviana israelita kosa namaly azy hoe: –Tsy misy ilànay anareo amin’ny fanorenana trano ho an’ilay Andriamanitray; fa izahay ihany no hanorin-trano ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, araka ny didy efa navoakan’i Kirôsa amperôran’i Persia.


Dia nanohy ny taotrano ireo loholona jiosy ka nambinina, araka ny hafatra nentin’ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakarià zanakalahin’i Hidao. Nanorina ka nahavita ny tempoly ry zareo, araka ny didin’Ilay Andriamanitr’i Israely sy araka ny baikon-dry i Kirôsa sy i Dariôsa ary i Artakserksesa, amperôran’i Persia.


Tamim-pifaliana no nanaovan’ireo Israelita ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora nandritra ny fito andro. Fa nampifaly azy tokoa ny TOMPO noho Izy nampiova ny amperôra hamindrafo amin’ny Israelita; izany rahateo no nampahery azy tamin’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia Ilay Andriamanitr’i Israely.


«Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’ny amperôra Kirôsa, dia namoaka didy izy nanao hoe: Ny amin’ilay tranon’Andriamanitra dia aoka haorina indray izany mba hanoloran-tsorona, ka ny fototra taloha no hampiasaina. Ho telopolo metatra ny haavon’ny trano ary ho telopolo metatra koa ny sakany;


«Hankalazaina anie ny TOMPO Andriamanitry ny razanay, hoy i Hezrà. Fa Izy no nanoro hevitra ny amperôra hanatsara endrika ny tranony any Jerosalema;


Izay rehetra namabo ny razanay dia nataony nahay nangoraka azy.


Ny fon’ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana izay tarihin’ny tanan’ny TOMPO amin’izay tiany.


Hoy Aho ny amin’i Kirôsa: ‹Izy no mpiandry ondriko. Hotanterahiny izay sitrako rehetra, ka dia hanome baiko izy mba haorina indray i Jerosalema ary hamboarina indray ny tempoly.› »


Izao no lazain’ny TOMPO amin’ilay nohosorany, dia i Kirôsa: «Tohanako ianao mba handresy ny firenen-kafa sy hanaisotra ny fahefàn’ny mpanjaka ka hivoha eo anatrehanao ireo vavahadin’ny tanàna nihidy.


Ity boky ity dia mirakitra ny asa sy teny nataon’i Jeremià, zanakalahin’i Hilkià isan’ny mpisorona tao Hanatôta, tanàna iray tamin’ny faritanin’i Benjamîna.


«Izao koa no lazain’ny TOMPO: ‹Rehefa naharitra fitopolo taona ny fanjakan’i Babilôna, dia hirotsaka an-tsehatra Aho noho ny aminareo; ka hotanterahiko ny soa nampantenaiko anareo: haveriko eto Jerosalema ianareo.


Hiaraka aminao ny miaramilan’i Persia sy i Etiôpia ary i Poto, samy mirongo ampinga sy fiarovan-doha avokoa;


Ary i Daniela dia nahatratra ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy.


Ary tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Nebokadnetsara, dia nanonofy izy. Nampitebiteby azy izany, hany ka tsy nahitany tory.


Ary nanome baiko ny mpanjaka mba halaina ireo lehilahy izay niampanga an’i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona izy mbamin’ny vady aman-janany. Fa raha tsy mbola nipaka tamin’ny vody lavaka akory izy mianakavy, dia nifandrombahan’ny liona ka nopotipotehiny ny taolany rehetra.


izaho Daniela dia nandinika tao amin’ireo boky masina ny hevitr’izay efa nambaran’ny Tompo tamin’i Jeremià mpaminany, dia momba ny fitopolo taona haharetan’ny faharavàn’i Jerosalema.


Dia hoy izy: –Izaho no «feon’olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe: ahitsio ny lalan’ny Tompo», araka ny tenin’i Isaià mpaminanin’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra