Matio 2:9 - DIEM PROTESTANTA Nony avy nandre ny tenin’ny mpanjaka ireo olon-kendry, dia niainga. Ary indro tazany indray ilay kintana hitany fony niposaka, hany ka faly dia faly aoka izany ry zareo. Nialoha lalana azy ireo hatrany ilay kintana ary tsy nijanona raha tsy efa teo ambonin’ny toerana nisy ny zaza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa; ary indro ilay kintana hitany teny atsinanana, nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony avy nandre ny tenin’ny mpanjaka ireo olon-kendry, dia niainga. Ary indro tazany indray ilay kintana hitany fony niposaka, hany ka faly dia faly aoka izany ry zareo. Nialoha lalana azy ireo hatrany ilay kintana ary tsy nijanona raha tsy efa teo ambonin’ny toerana nisy ny zaza. Baiboly Katolika Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo, dia lasa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely. Malagasy Bible Ary rehefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely. La Bible en Malgache Rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa; ary indro ilay kintana hitany teny atsinanana, nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely. |
ka nanontany hoe: –Aiza moa ilay Mpanjakan’ny Jiosy vao teraka? Efa hitanay niposaka tany atsinanana manko ny kintany, koa indreto izahay tonga hiankohoka eo anatrehany.
izay vao nalefany ho any Betlehema sady nataony hoe: –Ndeha àry ka fotopotory tsara ny amin’ilay zaza; rehefa hitanareo dia ilazao aho, fa te hankany koa aho hiankohoka eo anatrehany.
Ary mafy orina kokoa ho antsika ny tenin’ireo mpaminanin’Andriamanitra; ka tsara raha ifantohanareo izany toy ny ifantohanareo amin’ny jiro mamiratra anaty toerana maizimaizina, mandra-pahazàvan’ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro ao am-ponareo.