Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 2:8 - DIEM PROTESTANTA

8 izay vao nalefany ho any Betlehema sady nataony hoe: –Ndeha àry ka fotopotory tsara ny amin’ilay zaza; rehefa hitanareo dia ilazao aho, fa te hankany koa aho hiankohoka eo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia naniraka azy ireo hankany Betlehema izy ka niteny hoe: Andeha, hadihadio tsara ny amin’Ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy dia ambarao amiko mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 izay vao nalefany ho any Betlehema sady nataony hoe: –Ndeha àry ka fotopotory tsara ny amin’ilay zaza; rehefa hitanareo dia ilazao aho, fa te hankany koa aho hiankohoka eo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Ary naniraka azy ho any Betlehema izy nanao hoe: «Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza; ary rehefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin’ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin'ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia naniraka azy ireo hankany Betlehema izy ka niteny hoe: Andeha, hadihadio tsara ny amin’Ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy dia ambarao amiko mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 2:8
20 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Absalôma sy ny lehilahy israelita rehetra hoe: –Tsara noho ny torohevitr’i Ahitôfela ny an’i Hosay, ilay Arkita! Efa nataon’ny TOMPO manko izay tsy hampahomby ny torohevitr’i Ahitôfela, na dia tsara aza, mba hampidirany loza amin’i Absalôma.


Ary nandefa iraka tany amin’i Elià i Jezebela hanao hoe: «Enga anie ka hataon’ireo andriamanitra amiko ny famaizana faran’izay henjana indrindra, raha tsy afako toy ny nanaovanao ny ain’ny iray tamin’ireny koa ny ainao rahampitso tahaka izao!»


Ny fahendren’olombelona sy ny fahaizana amam-pisainany dia maivana eo anatrehan’ny TOMPO.


Iza moa no miteny, dia mampisy zavatra? Moa tsy ny Tompo va no mandidy?


Rehefa teraka tao Betlehema tanànan’i Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,


Tamin’izay dia nampiantsoin’i Herôda mangingina ireto olon-kendry ka nofotopotoriny tsara taminy ilay fotoana nisehoan’ny kintana;


Nony avy nandre ny tenin’ny mpanjaka ireo olon-kendry, dia niainga. Ary indro tazany indray ilay kintana hitany fony niposaka, hany ka faly dia faly aoka izany ry zareo. Nialoha lalana azy ireo hatrany ilay kintana ary tsy nijanona raha tsy efa teo ambonin’ny toerana nisy ny zaza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra