Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 2:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Niditra tao an-trano ireo olon-kendry ka nahita ny zaza teny amin’i Maria reniny ary niankohoka teo anatrehan’ilay zaza ho fanajana azy. Rehefa izany, nanokatra ny vata fasiany rakitra ireto mpamangy ary nanolotra fanatitra ho azy: dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano tokoa izy ireo dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ireo fitahirizan-drakiny dia nanolotra fanomezana ho Azy izy ireo, dia volamena sy zavamanitra ary miora.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Niditra tao an-trano ireo olon-kendry ka nahita ny zaza teny amin’i Maria reniny ary niankohoka teo anatrehan’ilay zaza ho fanajana azy. Rehefa izany, nanokatra ny vata fasiany rakitra ireto mpamangy ary nanolotra fanatitra ho azy: dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny, ka niankohoka nitsaoka Azy; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. Ary indro ilay kintana hitany tany atsinanana, dia nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano tokoa izy ireo dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ireo fitahirizan-drakiny dia nanolotra fanomezana ho Azy izy ireo, dia volamena sy zavamanitra ary miora.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 2:11
33 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Jakôba tamin’ireo zanany: –Raha izany àry, dia izao no ataovy: Mitondrà an-kitaponareo zavatra tsara vokatry ny tany mba hataonareo fanomezana ho an’ilay Ejiptianina. Mitondrà zava-manitra isan-karazany: menaka manitra, làdana, tantely, voam-boatavo, ary amandy.


Dia nomen’ilay mpanjakavavy volamena telo taonina sy sasany ary koa zava-manitra sesehena sy vatosoa ny mpanjaka; tsy nisy na ovina na oviana haben-java-manitra tonga tao Israely tahaka izay nomen’ny mpanjakavavin’i Sebà ho an’i Salômôna.


Dia tonga tany Jerosalema izy sy ny mpanaraka azy marobe, ny rameva izay nivesatra zava-manitra sy volamena sesehena ary vatosoa. Rehefa mby tao amin’i Salômôna ity mpanjakavavy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.


Tia rariny sy mpankahala ratsy ianao. Noho izany ilay Andriamanitra Andriamanitrao dia nanokana anao fa tsy ireo namanao ka nanosotra diloilo fifaliana tamin’ny lohanao.


Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny an’ireo nosy dia handefa fanomezana ho azy; ny mpanjakan’i Sabà sy ny an’i Sebà kosa ho avy handoa hetra aminy.


Ho ela velona anie ny mpanjaka! Aoka ho volamena avy any Sabà no hatao fanomezana ho azy! Enga anie izy harahim-bavaka lalandava sady horarîna soa isan’andro isan’andro!


Midira, aoka isika hiankohoka sy hitsaoka, handohalika eo anatrehan’ny TOMPO Mpanao antsika!


–Makà zava-manitra tsara indrindra: dia miora ranony dimy kilao, havozomanitra roa kilao sy sasany, kanelina manitra roa kilao sy sasany,


Hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Makà zava-manitra ianao: dia natafa, ôniksa, galbanoma, ary ramy madio. Ataovy mitovy fatra ireo.


Iza moa irỳ miakatra avy any an-taniefitra tahaka ny setroka mitambolimbolina ho etona mandraradraraka miora sy emboka mamerovero ary fofon-javamanitra isan-karazany?


Rameva maro no handrakotra ny taninao, dia andian-drameva avy any Midiana sy Hefà; tonga koa ny olona rehetra avy any Sabà. Volamena sy vovo-javamanitra no hoentiny ary ny fiderana ny TOMPO no hafatra soa hambarany.


«Rehefa misy anankiray amin’ny taranak’i Aharôna voahosotra ho mpisorombe handimby azy, dia hanao izany fanatitra izany koa izy. Anjara raikitra ho Ahy TOMPO izany ka hodorana hanetona avokoa:


Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Zato grama no lanjan’ny lovia kely volamena iray, ka ny lanjan’ny zinga 12 mitambatra dia 1 200 grama araka ny ventin-danja fampiasa ao amin’ny Toeramasina.


Toy izao no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Efa fofombadin’i Jôsefa i Maria renin’i Jesoa tamin’izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan’ny Fanahy Masina.


Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Jesoa, dia tonga ny reniny mbamin’ny rahalahiny; nijanona tao alatrano izy mianakavy ary nitady hiresaka aminy. [


Ry zareo tao an-tsambokely kosa niankohoka teo anatrehan’i Jesoa sady niteny hoe: –Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!


ka nanontany hoe: –Aiza moa ilay Mpanjakan’ny Jiosy vao teraka? Efa hitanay niposaka tany atsinanana manko ny kintany, koa indreto izahay tonga hiankohoka eo anatrehany.


Dia nandeha faingana izy ireo nankany, ka nahita an’i Maria sy i Jôsefa ary nahita zazakely mandry eo amin’ny fihinanam-bilona.


Tonga koa i Ana tamin’io fotoana io ka nisaotra an’Andriamanitra ary nilazalaza momba ity zaza ity tamin’izay rehetra fatra-piandry ny hanavotan’Andriamanitra an’i Jerosalema.


Tonga koa i Nikôdema (ilay nanatona an’i Jesoa andro alina teo aloha) nitondra ny miora sy aloesy nampifangaroina, tokony ho telopolo kilao.


Dia niankohoka teo an-tongony aho mba hitsaoka azy, satria nilazany hoe: –Tandremo, aza manao izany! Fa mpanompo miaraka aminao aho sady miaraka amin’ireo namanao iray finoana, izay mitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona. Andriamanitra no tsaohy! Eny, ny Fanahy Masina Izay manentana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra dia ahariharin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa.


Rehefa nandray ny horonamboky Izy, dia niankohoka teo anoloan’ny Zanakondry ny zava-miaina efatra sy ny loholona 24. Samy nanana lokanga anankiray avy ny loholona ary koa lovia volamena feno vovo-javamanitra, dia ireo lovia tandindon’ny vavaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra.


Fa nisy kosa ireo olona ratsy fanahy izay nanao hoe: «Ahoana tsara? Io ve no mba hamonjy antsika?» Notebahin’ireo i Saoly ary tsy nitondrany fanomezana. Nefa tsy noraharahain’i Saoly akory izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra