Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 2:7 - DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay dia nampiantsoin’i Herôda mangingina ireto olon-kendry ka nofotopotoriny tsara taminy ilay fotoana nisehoan’ny kintana;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nampiantso ireo Magy mangingina i Heroda ka namotopototra fatratra azy ireo ny amin’izay fotoana nisehoan’ilay kintana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay dia nampiantsoin’i Herôda mangingina ireto olon-kendry ka nofotopotoriny tsara taminy ilay fotoana nisehoan’ny kintana;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy, ka nohadihadiny fatratra ny andro nisehoan’ny kintana taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan’ilay kintana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan'ilay kintana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nampiantso ireo Magy mangingina i Heroda ka namotopototra fatratra azy ireo ny amin’izay fotoana nisehoan’ilay kintana.

Jereo ny toko



Matio 2:7
16 Rohy Ifampitohizana  

Ny olona nihavanany, aninjirany tanana; ny fifanekena nataony, ivadihany.


Koa tsy maintsy itadiavana tetika hamerana ny isany. Rehefa misy ady manko, dia homba ireo fahavalontsika izy ka hiady amintsika ary hiala ny tany.


«Izao no hitako, saingy tsy mbola ankehitriny no hisehoany; izao no tazako, saingy mbola any aoriana lavitra no hitrangany; Misy kintana mipoitra avy amin’ny taranak’i Jakôba, misy mpanjaka mipongatra avy amin’ny Israelita ka ny tehim-panjakàny no mamely ny fihirifan’ny Môabita sy ny lohan’ny mpanakorontana rehetra.


Rehefa teraka tao Betlehema tanànan’i Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,


Tamin’izay dia tsinjon’i Herôda fa voafitak’ireo olon-kendry izy ka tena vinitra. Ary naniraka olona izy hamono tsy an-kanavaka ny zazalahikely tao Betlehema sy ny manodidina rehetra, hatramin’ny roa taona no ho midina, araka ilay fotoana nofotopotoriny tsara tamin’ireo olon-kendry.


izay vao nalefany ho any Betlehema sady nataony hoe: –Ndeha àry ka fotopotory tsara ny amin’ilay zaza; rehefa hitanareo dia ilazao aho, fa te hankany koa aho hiankohoka eo anatrehany.


Fantatr’i Feliksa mazava tokoa ny amin’ity lalana nosoritan’Andriamanitra ity ka dia nahemony ho aoriana ny fanohizana ny fitsarana sady noravany izy rehetra nilazany hoe: –Rehefa tafidina atỳ i Lisia komandy, dia hanapa-kevitra momba ny raharahanareo aho.


Ny vavan’ilay bibilava kosa namoaka rano toy ny riaka hanaraka an-dravehivavy mba hipaoka azy.


hoy izy manko anakampo: «Homeko ho vadiny i Mikàla hahazoako mamandrika azy, ary dia hamono hahafaty azy ny Filistinina.» (Fanindroany izao no nilazan’i Saoly tamin’i Davida ny hahavinantony azy)