Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 19:3 - DIEM PROTESTANTA

Dia nisy Farisianina nanatona Azy mba hamandrika Azy ka nanontany hoe: –Azon’ny lehilahy atao ve ny manary vady na inona na inona antony?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nisy Fariseo nanatona sady naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy na inona na inona antony?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nisy Farisianina nanatona Azy mba hamandrika Azy ka nanontany hoe: –Azon’ny lehilahy atao ve ny manary vady na inona na inona antony?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary nisy Farisianina nanatona Azy mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe: «Mahazo misao-bady va ny lehilahy, na inona na inona antony?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisy Fariseo nanatona Azy, dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisy Fariseo nanatona Azy, dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nisy Fariseo* nanatona sady naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy na inona na inona antony?

Jereo ny toko



Matio 19:3
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia nohatonin’ny Farisianina sy ny Tsadoseanina i Jesoa. Te hamandrika Azy ry zareo ka nangataka Azy hanao famantarana ho porofo fa avy amin’Andriamanitra ny fahefàny.


Ary mpahay lalàna ny anankiray tamin’ireto Farisianina, ka mba hamandrihany an’i Jesoa no nanontaniany Azy hoe:


Dia nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba hamandrika Azy ka nanontany Azy hoe: –Azon’ny lehilahy atao ve ny manary vady?


Nisy iraka sasantsasany avy amin’ny Farisianina sy ny Herôdianina nankeo amin’i Jesoa hamandrika Azy amin’ny fanontaniana;


Fantatr’i Jesoa anefa ny fihatsarambelatsihin’ireo, ka hoy Izy taminy: –Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray vola denàry anankiray Aho hojereko.


Nolazain’ireo izany hamandrihana Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratsoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsan-tanany.


Ny kristianina manambady kosa, dia izao no andidiako azy (tsy izaho fa ny Tompo): aoka ny vehivavy tsy hisaraka amin’ny vadiny;


Tany no nakan’ny razanareo fanahy Ahy sy nizahany toetra Ahy, hoy Andriamanitra, na dia efa hitany aza ny asa vitako