–Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fomba amam-panao nampitain’ny razantsika? Tsy mba manasa tanana araka ny fomba ara-pivavahana manko ny mpianatrao raha hihinan-kanina!
Matio 15:3 - DIEM PROTESTANTA Dia novalian’i Jesoa hoe: –Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra mba hifikiranareo amin’ny fomba amam-panaonareo? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Izy namaly azy ireo hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novalian’i Jesoa hoe: –Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra mba hifikiranareo amin’ny fomba amam-panaonareo? Baiboly Katolika Ary hoy ny navaliny azy: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny lovantsofin-drazanareo? Baiboly Protestanta Malagasy Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa hianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? Malagasy Bible Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? La Bible en Malgache Ary Izy namaly azy ireo hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? |
–Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fomba amam-panao nampitain’ny razantsika? Tsy mba manasa tanana araka ny fomba ara-pivavahana manko ny mpianatrao raha hihinan-kanina!
Fa hoy Andriamanitra hoe: «Hajao ny rainao sy ny reninao», ary koa hoe: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia aoka hovonoin-ko faty.»
Koa ny fomba amam-panao ifandovanareo no anafoananareo ny tenin’Andriamanitra; ary mbola maro koa ny zavatra tahatahaka izany ataonareo.
Miseho ho fahendrena ireny didy sy fampianarana ireny satria hoe fivavahana vokatry ny finiavana ka ietren-tena manoloana ny anjely sy amolahana mafy ny vatana; kanefa tsy misy heriny akory hahasakana ny fanaranan’ny maha olona mpanota.
Mitandrema fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny fahendren’olombelona sy ny famitahana foana: ny fampianarana ampitain’olombelona sy ny herin-javatr’izao tontolo izao no iorenan’izany fa tsy i Kristy;
mba tsy hifikitra intsony amin’angano jiosy sy didy nataon’olona izay niala tamin’ny fampianarana marim-pototra.