Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 12:3 - DIEM PROTESTANTA

Dia novalian’i Jesoa hoe: –Tsy novakînareo tao amin’ny Soratra Masina angaha izay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’ireo olona niaraka taminy?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’ireo izay nanaraka azy,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia novalian’i Jesoa hoe: –Tsy novakînareo tao amin’ny Soratra Masina angaha izay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’ireo olona niaraka taminy?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy Izy taminy: «Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy sy izay nanaraka azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’ireo izay nanaraka azy,

Jereo ny toko



Matio 12:3
13 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa ren’i Mosesy izany valin-tenin’i Aharôna izany, dia nankasitrahiny.


Nahita izany ny Farisianina ka nanao tamin’i Jesoa hoe: –Jereo ny mpianatrao fa manao zavatra tsy fanao amin’ny andro sabata!


Niditra tao an-tranon’Andriamanitra ry i Davida, ka nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra izy mbamin’ny olona niaraka taminy; kanefa izany mofo izany tsy azon’izy ireo hanina fa natao ho an’ny mpisorona irery ihany!


Sa tsy novakînareo tao amin’ny lalànan’i Mosesy angaha fa amin’ny andro sabata dia mandika ny fepetran’ny sabata ireo mpisorona manao fanompoana ao an-tempoly, kanefa tsy manan-tsiny?


Dia izao no navalin’i Jesoa: –Tsy mbola novakînareo tao amin’ny Soratra Masina ve fa ilay Mpahary, hatrany am-piandohana, dia «nanao ny olona ho lahy sy vavy»,


Ka hoy ry zareo tamin’i Jesoa: –Renao ve izay lazain’ireo? Dia novaliany hoe: –Eny, reko tokoa! Sady tsy mbola novakînareo ve ny andinin’ny Soratra Masina hoe: «Ny vavan’ny ankizy madinika aman-jaza minono avy no nataonao hahazoan-dera»?


Ary momba ny hoe fitsanganan’ny maty ho velona, moa tsy novakînareo ao amin’ny bokin’i Mosesy ve ilay voalazan’Andriamanitra taminareo hoe:


Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: «Ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro;


Ary ny amin’ny hoe hitsangana ho velona ny maty, moa tsy novakînareo ao amin’ny bokin’i Mosesy ve ny toko momba ny Roimemy? Fa ao no nitenenan’Andriamanitra tamin’i Mosesy hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Itsehàka ary Andriamanitr’i Jakôba!»


Fa hoy i Jesoa taminy: –Inona no voalazan’ny Soratra Masina ao amin’ny lalàna? Ahoana no fandraisanao ny heviny raha vakînao?


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Tsy novakînareo tao amin’ny Soratra Masina ve izay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’ireo olona niaraka taminy?