Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 9:48 - DIEM PROTESTANTA

Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

any ny kankany tsy maty ary ny afo tsy mety maty.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.»

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

any ny kankany tsy maty ary ny afo tsy mety maty.

Jereo ny toko



Marka 9:48
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary raha sendra misy mivoaka ny tanàna, dia hahita ny fatin’ny olona izay nikomy tamiko; fa ny kankana mihinana azy tsy ho faty, ary ny afo mandoro azy tsy ho levona, ka hahatsiravina ny olona rehetra ireo.»


Aoka ho voafora ho Ahy TOMPO ianareo ka esory ny loto ao amin’ny fonareo ry olon’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Fandrao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ny ataonareo ka handevona izao rehetra izao; ary tsy hisy hamono ny afo.


Ary dia izao kosa no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankaviany: «Mialà amiko ianareo voaozona, mandehana any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.


Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.


Eny, hodiovina amin’ny alalan’ny afo avokoa ny olona rehetra tahaka ny anadiovana ny sorona rehetra amin’ny alalan’ny sira.


Eny an-tanany ny fikororohana hanadiovany tanteraka ny vary eo am-pamoloana: ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.