Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak’olona tonga amin’ny maha mpanjaka Azy.
Marka 9:1 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy koa i Jesoa taminy: –Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty, raha tsy efa mahita ny Fanjakàn’Andriamanitra tonga amin-kery mahagaga. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hahita fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny hery. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy koa i Jesoa taminy: –Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty, raha tsy efa mahita ny Fanjakàn’Andriamanitra tonga amin-kery mahagaga. Baiboly Katolika Henemana taorian’izany dia nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny hery. Malagasy Bible Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny hery. La Bible en Malgache Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hahita fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny hery. |
Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak’olona tonga amin’ny maha mpanjaka Azy.
Amin’izay dia hiseho eny amin’ny habakabaka ny famantarana momba ny Zanak’olona; ka handon-tratra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany ary hahita ny Zanak’olona tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe.
–Rehefa ho avy amin’ny voninahitra maha mpanjaka Azy ny Zanak’olona sady hotronin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany mamirapiratra.
Amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita voahodidin-drahona, sady tamy omban-kery lehibe sy ombam-boninahitra;
Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tonga izany rehetra izany.
Lazaiko aminareo fa tsy hisotro divay intsony Aho mandra-pahatongavan’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
Ka hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro ianareo any amin’ny Fanjakàko ary hipetraka ambony sezafiandrianana hitsara ny foko 12 amin’i Israely.
Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika etoana dia tsy ho faty raha tsy efa nahita ny Fanjakàn’Andriamanitra.
Noho izany teny izany, dia niely tamin’ireo havana mpino fa hoe tsy ho faty io mpianatra io; kanefa i Jesoa tsy niteny tamin’i Petera hoe: «Tsy ho faty izy», fa hoe «Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany?»
Izao no hitantsika: natao ambany noho ny anjely nandritra ny fotoana fohifohy i Jesoa, mba ho faty ho an’ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra; ary satria niaritra ny fahafatesana Izy, dia nosatrohan’Andriamanitra voninahitra sy haja.