Ny fitondrantenan’ny olo-marina dia toy ny fahazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pahantoandro ny andro.
Marka 8:25 - DIEM PROTESTANTA Dia nametrahan’i Jesoa tanana fanindroany ny masony; ary nahiratry ralehilahy ny masony ka sitrana, ary dia nazava tsara no nahitany ny zavatra rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia napetrak’i Jesosy tamin’ny masony indray ny tanany dia nahita tsara Ralehilahy ka sitrana ary hitany mazava tokoa ny zavatra rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nametrahan’i Jesoa tanana fanindroany ny masony; ary nahiratry ralehilahy ny masony ka sitrana, ary dia nazava tsara no nahitany ny zavatra rehetra. Baiboly Katolika Dia nametrahany tanana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia napetrany tamin’ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra. Malagasy Bible Dia napetrany tamin'ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra. La Bible en Malgache Dia napetrak’i Jesosy tamin’ny masony indray ny tanany dia nahita tsara Ralehilahy ka sitrana ary hitany mazava tokoa ny zavatra rehetra. |
Ny fitondrantenan’ny olo-marina dia toy ny fahazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pahantoandro ny andro.
Satria izay manana no homena, ka hanana amby ampy; fa izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halàna aminy.
Nitraka ralehilahy sady namaly hoe: –Mahita aho, indreny ny olona fa tahaka ny hazo no ahitako azy, saingy izy mandehandeha.
Nalefan’i Jesoa hody any an-tranony ralehilahy sady nilazany hoe: «Aza mankao an-tanàna!»
Raha mbola nibanjina ny lanitra niakaran’i Jesoa teo iny izy ireo, dia indreo nisy roa lahy nanao fitafiana fotsy tafajoro tampoka teo anilany
Nihaino an’i Paoly nandaha-teny ralehilahy. Nibanjina azy i Paoly ka nahita fa manam-pinoana ny ho sitrana izy.
Matoky aho fa Andriamanitra, Izay nanomboka asa tsara tao aminareo, dia hanohy izany hatrany ka hahatanteraka azy amin’ny andro hiavian’i Kristy Jesoa.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka natao ho fananan’Andriamanitra, mba hitory ireo asa lehibe vitan’Andriamanitra Izay niantso anareo hiala tamin’ny haizina ho any amin’ny fahazavana mahagaga.
Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.