Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 8:12 - DIEM PROTESTANTA

Dia nisento lalina i Jesoa ka niteny hoe: –Nahoana ny olona ankehitriny no mitady famantarana? Lazaiko marina aminareo fa tsy homena famantarana akory izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nisento lalina am-panahy Jesosy ka niteny hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nisento lalina i Jesoa ka niteny hoe: –Nahoana ny olona ankehitriny no mitady famantarana? Lazaiko marina aminareo fa tsy homena famantarana akory izy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe: «Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nisento lalina am-panahy Jesosy ka niteny hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.

Jereo ny toko



Marka 8:12
15 Rohy Ifampitohizana  

Notsiratsiraina sy nolavin’ny olona izy; lehilahy tototry ny fahoriana sady ilomam-pijaliana tahaka izay tsy tian-kojerena akory. Eny, notsiratsiraina izy ka tsy mba nahoantsika.


Tamin’izay dia nisy mpahay lalàna sy Farisianina sasany nanontany an’i Jesoa hoe: –Mpampianatra ô, mba te hahita famantarana avy aminao izahay.


Ratsy fanahy sady mpivadika amin’Andriamanitra ny olona ankehitriny: fatra-pitady famantarana nefa tsy homena famantarana afa-tsy ilay momba an’i Jônà mpaminany! Dia nandao azy ireo i Jesoa ka lasa nandeha.


Dia tezitra i Jesoa nanopy maso manodidina nijery azy ireo, sady nalahelo tokoa noho ny hamafin’ny fony, ka niteny tamin-dralehilahy hoe: –Atsory ny tananao! Dia natsotran’ilay marary ny tanany ka sitrana.


Dia gaga i Jesoa, satria tsy nanam-pinoana ry zareo. Ary nitety ny tanàna kely manodidina i Jesoa, ka nampianatra.


Dia niandrandra ny lanitra i Jesoa sady nisento ary niteny tamin-dralehilahy hoe: –Efatà! (izany hoe: «misokafa!»).


Dia nandao azy ireo i Jesoa ary niondrana indray nankeny ampita.


Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Karazan’olona tsy mino ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!


Ary nanakaiky an’i Jerosalema hatrany i Jesoa ka nony nahatazana ny tanàna, dia nitomany azy