Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 7:6 - DIEM PROTESTANTA

Fa hoy i Jesoa taminy: –Marina tokoa ny naminanian’i Isaià anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy Jesosy taminy: Marina ny naminanian’Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: «Ity firenena ity dia manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa dia lavitra Ahy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa hoy i Jesoa taminy: –Marina tokoa ny naminanian’i Isaià anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy ny navaliny azy ireo: Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa manalavitra Ahy ny fony;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian’Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: ,,Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy Jesosy taminy: Marina ny naminanian’Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: «Ity firenena ity dia manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa dia lavitra Ahy.

Jereo ny toko



Marka 7:6
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ny Tompo hoe: «Ity firenena ity manatona Ahy am-bava fotsiny sy manome voninahitra Ahy an-tendromolotra ihany fa ny fony kosa manalavitra Ahy; ka fomban’olombelona nianarana ihany ny fanajana asehony Ahy.


Dia mivory eo aminao ireo olona anisan’ny vahoakako ka mipetraka eo anatrehanao mba hihaino anao. Mihaino ny teninao izy, fa tsy manatanteraka azy. Izay rendrarendra tiany hatao ihany no eo am-bavany; ary ny filan-dratsiny no ironan’ny fony.


Raha toa ireo asa izay tsy nataon’olona na iza na iza no tsy nataoko taminy, dia tsy ho nanam-pahotana izy ireo; ankehitriny kosa, efa nahita ny asa nataoko ireo sady efa nankahala Ahy sy ny Raiko.


saingy fantatro ianareo, fa tsy manana ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatinareo.


Tsy nifanara-tsaina ry zareo ka dia nirava taorian’ny teny indraim-bava nataon’i Paoly hoe: –Rariny izay nampilazain’ny Fanahy Masina an’i Isaià mpaminany tamin’ny razanareo


hitana ny endrika ivelany isehoan’ny fivavahana nefa mandà ny heriny. Halaviro ireny olona ireny!


Miaiky izy fa mahalala an’Andriamanitra, nefa mandà Azy amin’ny ataony; ka olona mpanimbazimba sady tsy mba manoa ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.