Noho izany, rehefa nandefasan’ny manampahefana babilônianina iraka izy mba hanontany momba ny zava-mahagaga nitranga teo amin’ny taniny, dia navelan’Andriamanitra hanao saim-pantatra izy mba hisedrany azy ka hahalalany izay toetrany rehetra.
Marka 7:22 - DIEM PROTESTANTA haka vadin’olona, ho tia harena, hasiaka, hanambaka, haloto fitondrantena, hialona, hanao vava ratsy, hiavonavona, ho adala toetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny fakam-badin’olona, ny fitiavan-karena, ny faharatsiam-panahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny fijery ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara haka vadin’olona, ho tia harena, hasiaka, hanambaka, haloto fitondrantena, hialona, hanao vava ratsy, hiavonavona, ho adala toetra. Baiboly Katolika ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana; Baiboly Protestanta Malagasy ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: Malagasy Bible ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: La Bible en Malgache ny fakam-badin’olona, ny fitiavan-karena, ny faharatsiam-panahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny fijery ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana. |
Noho izany, rehefa nandefasan’ny manampahefana babilônianina iraka izy mba hanontany momba ny zava-mahagaga nitranga teo amin’ny taniny, dia navelan’Andriamanitra hanao saim-pantatra izy mba hisedrany azy ka hahalalany izay toetrany rehetra.
Ny olon-dratsy mirehareha hoe: «Tsy hanadina Andriamanitra, tsy misy Andriamanitra.» Izany no ambentin-keviny.
Ny olona malina tsy mampideradera ny fahalalàny; fa ny fon’ireo adala kosa mamoaka hafokana.
Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana, ka tsorakazom-pamaizana no hanongotra izany aminy.
Na dia totoinao toy ny vary an-daona aza ny adala, dia tsy ho afaka aminy akory ny hadalàny.
Maika ny hanan-karena ny mpitsiriritra saingy tsy fantany fa ho avy aminy ny fahantrana.
Koa dia nifantoka tamin’ny fianarana sy ny fikarohana aho. Notadiaviko ny atao hoe fahendrena sy ny antom-pisian-javatra. Nofantariko fa fahadalana, eny, fahadalana maha very saina ny haratsiam-panahy.
Eny, nikomy sy nivadika taminao izahay ka tsy nanaiky hanaraka Anao Andriamanitray. Famoretana sy fikomiana no resakay ary lainga fotsiny no foroninay ao am-po sy avoakan’ny teny ataonay.
Mihazakazaka erỳ ianareo hanao ratsy ary mirohotra hamono ny tsy manan-tsiny. Ny hanisy ratsy ny hafa ihany no kendrenareo; fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehanareo.
–Tsy misy zavatra mamitaka hoatra ny fon’olombelona. Tsy azo sitranina izy, ary tsy misy mahafantatra ny aminy.
raha jamba kosa ny masonao, dia maizina ny tenanao manontolo. Eny, raha maizina ilay fahazavana ao anatinao, dia vao mainka haizim-pito no hisy anao!
satria avy ao anaty, avy ao am-pon’ny olona no ipoiran’ny sain-dratsy mahatonga azy hijangajanga, hangalatra, hamono olona,
sy feno avonavona rehetra, izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary babonay hanaiky an’i Kristy ny olona rehetra mahitsy fieritreretana.
Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponareo ny hevi-dratsy manao hoe: «Antomotra ity ny taona fahafito, dia ny taona famoizan-trosa.» Aoka ianareo tsy ho ratsy fijery an’ilay mahantra mpiray firenena aminareo, ka tsy hanome azy na inona na inona; fa hitaraina amin’ny TOMPO hiampanga anareo izy, ka dia ho fahotanareo izany.
Ny lehilahy faran’izay miangentsana sy miaingitraingitra eo aminareo, dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vady andefimandriny mbamin’ny zanany sisa;
Ny vehivavy, faran’izay miangentsana sy miaingitraingitra eo aminareo, ka tsy mbola nanandrana nandia tany, dia ho ratsy fijery ny vady andefimandriny sy ny zanakalahiny ary ny zanakavaviny;
Fa izao no sitrapon’Andriamanitra: ny hanampenanareo vava ny olona adala sy tsy mahalala amin’ny asa soa ataonareo.
Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»