Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 7:15 - DIEM PROTESTANTA

Tsy misy zavatra avy etỳ ivelany miditra ao anatin’ny olona ka mahaloto azy, fa izay mipoitra avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy. [

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy. Fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy misy zavatra avy etỳ ivelany miditra ao anatin’ny olona ka mahaloto azy, fa izay mipoitra avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy. [

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy. Fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.

Jereo ny toko



Marka 7:15
17 Rohy Ifampitohizana  

Tandremo izay eritreretin’ny fonao fa izany no iankinan’ny fiainanao.


Ry tarana-menarana, hataonareo ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara? Izay mameno ny fon’ny olona manko no aloaky ny vavany.


Dia hoy i Jesoa: –Ianareo koa ve tsy mahafantatra mandrak’izao?


Dia nantsoin’i Jesoa hankeo aminy indray ny vahoaka sady nilazany hoe: –Mihainoa Ahy ianareo rehetra ka mahafantara.


Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!]


Dia hoy izy tamin’ireo: –Fantatrareo fa ny Jiosy dia raran’ny fivavahany tsy hifanerasera amin’ny hafa firenena na hiditra ao an-tranony. Nefa nasehon’Andriamanitra tamiko fa tsy misy olona azoko atao hoe maloto na tsy mendrika hifaneraserana.


Fa tsy izay mihinana na misotro no manana ny Fanjakàn’Andriamanitra, fa izay manao ny marina sy mikatsaka fiadanana ary mifaly ao amin’ny Fanahy Masina.


Hano avokoa izay hena amidy eny an-tsena, fa aza velom-panontaniana akory noho ny fieritreretana;


Madio avokoa ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa tsy misy madio na inona na inona amin’ny olona voaloto sady tsy mino, satria samy efa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.


Aza mety havilivilin’ny fampianarana samihafa tsy araka an’i Kristy ianareo; tsara manko raha ampaherezina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny fonareo, fa tsy amina fitsipika momba ny hanina izay tsy mahasoa ireo mahavatra azy.


Zavatra momba ny hanina sy ny fisotro ary ny fidiovana samihafa ireo, dia fitsipika ivelambelany ihany izay voadidy hatao mandra-piavin’ny fotoanandro hanaovan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.