Ary hoy ireo mpahay lalàna nidina avy tany Jerosalema hoe: –I Belzeboba no ao amin’ilay io ary fahefana avy amin’ny filohan’ny demony no androahany ny demony.
Marka 7:1 - DIEM PROTESTANTA Dia tafavory teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny sasantsasany tamin’ireo mpahay lalàna avy any Jerosalema, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nivory teo Aminy ny Fariseo sy ny mpanoradalàna sasany izay avy tany Jerosalema Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia tafavory teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny sasantsasany tamin’ireo mpahay lalàna avy any Jerosalema, Baiboly Katolika Ary niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema, Baiboly Protestanta Malagasy ARY niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema Malagasy Bible Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema La Bible en Malgache Ary nivory teo Aminy ny Fariseo* sy ny mpanoradalàna* sasany izay avy tany Jerosalema |
Ary hoy ireo mpahay lalàna nidina avy tany Jerosalema hoe: –I Belzeboba no ao amin’ilay io ary fahefana avy amin’ny filohan’ny demony no androahany ny demony.
ary nahatsikaritra fa ny sasany tamin’ny mpianatr’i Jesoa dia nihinan-kanina tamin’ny tanana maloto, izany hoe tsy voasasa araka ny fombam-pivavahana.
Indray andro, raha nampianatra i Jesoa, dia nisy Farisianina sy mpahay lalàna nipetraka teo akaikiny; avy amin’ny tanàna any Galilea sy Jodea ary avy any Jerosalema ry zareo ireo. Ary niasa ny herin’ny Tompo mba hanasitranan’i Jesoa ny marary.