Dia hoy izy: –Hampiharin’Andriamanitra amiko anie ny famaizana mafy indrindra, raha tàhiny tsy voatapaka anio ny lohan’i Elisà zanakalahin’i Safata.
Marka 6:23 - DIEM PROTESTANTA Ary niozona mafy tamin-drazazavavy ny mpanjaka nanao hoe: –Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nianiana taminy izy ka niteny taminy hoe: Na inona na inona no hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary niozona mafy tamin-drazazavavy ny mpanjaka nanao hoe: –Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza. Baiboly Katolika sady nampiany tamim-pianianana hoe: «Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary nianiana taminy hoe izy: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza. Malagasy Bible Ary nianiana taminy hoe izy: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza. La Bible en Malgache Ary nianiana taminy izy ka niteny taminy hoe: Na inona na inona no hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza. |
Dia hoy izy: –Hampiharin’Andriamanitra amiko anie ny famaizana mafy indrindra, raha tàhiny tsy voatapaka anio ny lohan’i Elisà zanakalahin’i Safata.
ary nanontanian’ny amperôra hoe: –Maninona ianao, ry Estera mpanjakavavy? Inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany.
Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy ny amperôra tamin’i Estera: –Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany.
Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy indray ny amperôra tamin’i Estera: –Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany ary ho azonao tokoa.
Noho izany, dia niozonozona mihitsy ity mpanjaka fa hanome an-drazazavavy ny zavatra hangatahiny na inona na inona.
sady nataony hoe: –Homeko Anao avokoa ireo, raha miankohoka eto anoloako Ianao ho fanajana ahy!
Dia lasa nivoaka ny efitrano fisakafoana razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: –Inona no hangatahiko? Ary hoy ireniny: –Ny lohan’i Jôhany Mpanao batisa.
Ary nianiana taminy sady nanonona ny anaran’ny TOMPO i Saoly ka nanao hoe: –Velona ny TOMPO ka milaza marina aho fa tsy hampaninona anao akory izao raharaha izao.