Nony namafy izy, ny voa sasany latsaka teny amoron-dalana, ka tonga ny voro-manidina nitsindroka azy rehetra.
Marka 6:1 - DIEM PROTESTANTA Dia niala teo i Jesoa ka nankany amin’ny tanàna nahabe Azy, ary nanaraka Azy tany koa ny mpianany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niala teo Izy ka tonga tany amin’ny tanànany ary niaraka Taminy koa ny mpianany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niala teo i Jesoa ka nankany amin’ny tanàna nahabe Azy, ary nanaraka Azy tany koa ny mpianany. Baiboly Katolika Nony niala teo Izy dia nankany amin’ny tany nahabe Azy, ary nanaraka Azy ny mpianany. Baiboly Protestanta Malagasy ARY niala teo Izy ka tonga tany amin’ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany. Malagasy Bible Ary niala teo Izy ka tonga tany amin'ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany. La Bible en Malgache Ary niala teo Izy ka tonga tany amin’ny tanànany ary niaraka Taminy koa ny mpianany. |
Nony namafy izy, ny voa sasany latsaka teny amoron-dalana, ka tonga ny voro-manidina nitsindroka azy rehetra.
Ary nony tonga tany izy telo mianaka, dia niorim-ponenana tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta; koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Hantsoina hoe Nazareanina Izy!»
Fa hoy i Jesoa taminy: –Mpaminany tsy hajaina eo amin’ny tanàna nahabe azy sy eo amin’ny havany ary eo amin’ny fianakaviany, na dia heni-kaja any an-kafa aza!